Vous êtes ici :

Samedi 18 Mai 2024

ombre

Miarinarivo – Maty voatifitry ny jiolahy ny tompon’omby

Raim-pianakaviana iray tompon’omby tao amin’ny Fokontany Mandiavato, kaominina sy distrikan’i Miarinarivo, faritra Itasy no maty voatifitry ny jiolahy, ny zoma alina lasa teo.  Rehefa nitaky ny vidin’ omby lafo, ny andron’ny zoma ireo jiolahy dia namaly ilay loham-pianakaviana fa efa napetrany any amin’ny banky ny vola. Tsy nionona tamin’izany anefa ireto jiolahy izay nanafika tao an-tranony raha tsy nahazo ny vola fa avy hatrany dia niroso tamin’ny fandarohana ity raim-pianakaviana mba hamoaka ny vola.  Vola tahiry tao an-trano mitentina efatra hetsy ariary no lasan’ireo jiolahy niaraka tamin’ny vangovango volamena sy omby sivy.

Talohan’ny nitifirana azy dia niezaka nanohitra sy niaro ny fananany ity raim-pianakaviana ity, ka teo no nahatonga ireo jiolahy nitifitra ka namono nahafaty azy. Teo amin’ny fony moa no nahavoatifitra  ilay rangahy ka namoizany ny ainy avy hatrany. Nampandre ny mpitandro filaminana ny vady aman-janany rehefa lasa ireo olon-dratsy. Na tonga teny an-toerana aza ny mpitandro filaminana dia efa tsy nahatratra ireo mpanafika teny an-toerana intsony. Mbola mandeha moa ny fikarohana ireo malaso hatramin’izao fotoana izao.

S.A

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre