Vous êtes ici :

Samedi 18 Mai 2024

ombre

Antanifotsy – Sambava – Tokantrano iray voatafiky ny jiolahy am-polony

Mandry tsy lavo loha ny mponina ao Sambava amin’izao fotoana izao. Manjaka ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana ary tokantrano efa tsy latsaky ny folo sahady izay no lasibatra hatramin’ny fiandohan’ny taona. Ny fisian’ny lavanila sy ny resaka mandeha fa mitam-bola be ao an-tranony ny olona monina ao amin’io faritra io no tena nampirongatra ny asan-jiolahy raha ny fanazavana azo. Tamin’ny alahady lasa teo izao, tokony ho tamin’ny misasa-kalina dia tokantrano iray ao amin’ny tanàna iray antsoina hoe Antanifotsy no lasibatra. Tokony ho tamin’ny iray ora alina teo, raha mbola tao anatin’ny torimaso tanteraka ny mponina dia nanao be fiavy nanafika ilay tokantrano iray ireo jiolahy. Raha ny vaovao voaray dia toa efa nofidiana manokana mihitsy io trano io noho ny vaovao azon’ireo olon-dratsy fa mitahiry vola ao an-trano ny tompony. Nizara roa ny paik’ady noentin’ireo mpamaky trano nanafika, ny antsasany niandry teny ivelany ary ny sasany kosa namaha moramora ny varavaram-be fidirana. Rehefa tafatsofoka izy ireo dia nanao bontolo nitsofoka tao an-trano no sady nandrahona ny tompon-trano tamin’ny basy sy ny antsy lava lela. Tsy nisy azon’ireto farany natao afa-tsy ny nijery ireo jiolahy nisavasava ny trano sy naka izay entana rehetra nilainy tao. Lasan’ireo olon-dratsy ireo tamin’izany ny lavanila 20 kilao ary ny lelavola mitentina dimy hetsy sy telo tapitrisa Ariary. Rehefa vitan’ireo jiolahy izay nataony dia nandeha nitsoaka avy hatrany izy ireo ary nanafatra hatrany ny tsy hiantsoana mpitandro filaminana raha tsy izany hodoran’izy ireo ny tanàna. Tamin’ny 2 ora maraina anefa vao tratra antso ireo mpitandro filaminana saingy efa tsy tratra teo an-toerana intsony ireo mpandroba. Taim-bala no sisa mba hitan’ny zandary nandritra ny fisafoana. Soa fa tsy nisy ny naratra sy ny maty tamin’izany.

Ra Tax. 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre