Vous êtes ici :

Lundi 06 Mai 2024

ombre

Olympiade « Mathématique sy Physique » – Misokatra ny fisoratana anarana ho an’ny mpianatra 4ème miakatra

Taorian’ny « Forum des métiers », andiany faha 7 izay karakarain’ny Sos Villages des Enfants (Sos Ve) Madagascar, miara-miombon’antoka amin’ny Dhl International Madagascar, izay ao anatin’ny fandaharan’asa « GoTeach », ny volana novambra 2017 lasa teo, dia teraka ny Olympiade ho an’ny tanora kilasy 4ème hatramin’ny  kilasy famaranana. Taorian’ny fampahafantarana ankapobeny izay natao tetsy amin’ny Lycée Jean Joseph Rabearivelo Analakely ny Alatsinainy lasa teo dia efa misokatra ny fisoratana anarana  ary tsy hifarana izany raha tsy amin’ny 17 febroary 2017. Koa antsoina ireo mpianatra amin’ny sekoly rehetra, izay liana amin’ny taranja “Mathématique” sy “Physique”, mba ho tonga handray anjara ho an’ny faritra Antananarivo, Antsirabe, Toamasina. Ny fisoratana anarana dia atao eny amin’ny Sos Village des Enfants na ny Foiben’ny sampan-draharahan’ny faritra amin’ny fampianarana (Dren) ny faritra voatonona.

Voatsinjara roa ny fifaninana, izany hoe : « l’olympiade mathématique et physique et l’olympiade création d’objets/projets.» Ilay voalohany dia hitsapana ny tena fahaizan’ ireo mpianatra amin’ny ankapobeny, izay avy any amin’ny sekolim-panjakana na tsy miankina ato anatin’ireo faritra telo ireo. Ny fisoratana anarana dia misy sokajy roa dia ny « Niveau 1 » ho an’ny 4ème sy ny 3ème ary ny «  niveau 2 » ho an’ny  kilasy faharoa hatramin’ny famaranana. Marihina fa voafetra ho folo isaka ny sekoly no mpandray anjara.

Hisy ny fitsapana voalohany isam-paritra ny 11 martsa 2017, ary ankatoky ny famaranana ( demi-finale) dia mbola hatao any amin’ny faritra tsirairay ihany amin’ny voalohan’ny volana aprily, izay folo isaka ny “niveau”, ihany no hiady ilay toerana iray isaka ny “niveau” izay hiakatra amin’ny famaranana izay hatao aty Antananarivo ny 28 aprily 2017.

Ho an’ny Olympiade « L’olympiade création d’objets/projets » dia mizara telo ny sokajin’ny mpandray anjara amin’izany dia natao mba hitovy ny vintana iadivana ho an’ireo mpandray anjara. Ankoatra ireo “niveau” roa efa misy  dia misy koa ny “Oniversitera” na ho an’ireo mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony.

Safidy Andrianina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre