Vous êtes ici :

Dimanche 19 Mai 2024

ombre

Nianjery tamin’ny fahakeliny – Nivonto be manempotra azy ny ilan-tanan’ilay lehilahy

Mahaontsa sy tena mahakivy ny mijery azy indrindra fa ho an’ny olona mora malahelo sy kelikely finoana. Lehilahy iray monina ao Morondava antsoina hoe Naina Prosper Jean Pierre amin’izao no tratran’ny aretina hafa kely ka mety hitarika ny fahafatesany raha tsy voatsabo farak’izay haingana. Raha ny vaovao voaray dia 23 taona ity tovolahy ity ary tamin’ny fahakeliny no nahazoany an’io aretin-dratsy io. Voalaza mantsy fa nianjery teny ambony hazo izay niankinany io lehilahy io ary folaka. Nanao dokotera tena ny ray aman-drenin’ity farany ka nentina tany amin’ny mpanotra teo an-tanàna izy ary tsy sitrana. Ny taona 2014 anefa tsy nampoizina akory fa niverina niseho ilay fivontosana teo amin’ny faritry ny tanany izay mahakasika ny tratrany ihany koa. Niha nitombo isan’andro izany ary nanjary tena lasa lehibe dia lehibe ka tsy afa-nihetsika intsony ilay tanana ilany. Niezaka nanatona mpitsabo sy mpanotra ihany ny ray aman-drenin’ilay zazalahy tany am-boalohany saingy tsy nahitam-bokatra izany. Ny aretina anefa tsy mijanona ny mihombo sy miha mahery vaika hatrany, ilay marary rahateo koa miha vizana andro aman’alina. Lany hevitra ny ao an-tokantrano  amin’izao fotoana izao satria efa ritra ny vola teo am-pelatanana, atahorana ihany koa ny mety hahafaty tampoka an’ilay zazalahy satria azo eritreretina ho mahakasika ny fony ny fivontosana. Miantso vonjy amin’ireo malala-tanana noho izany ny fianakaviana satria mila vola be izy ireo mba hitondrana ity marary ity aty an-drenivohitra hotsaboina. Ity ny laharana finday azo antsoina sy handefasana vola amin’ny M’vola raha toa misy ny te hanampy : 0340971877 ary ny laharan’ny banky 00004 05001 145 922-87 ao amin’ny Bfv Morondava.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre