Vous êtes ici :

Vendredi 03 Mai 2024

ombre

Delestazy 3 andro – Nirotaka ny mponin’Anosimasina

Nipoaka ny hatezeran’ny mponin’Anosimasina Itaosy omaly alina noho ny fitarazohan’ny fahatapahan-jiro. Notapahan’izy ireo ny lalana miditra an’Itaosy ary nandoran’izy ireo kodiarana teo afivoan’ny arabe. Nanampy izany ny kiririoka sy ny horakoraky ny mponina izay nampiseho ny fahadisoam-panantenany amin’ny fitondram-panjakana sy ny Jirama.

Toy ny mahazatra dia tonga faran’izay haingana teny an-toerana ny mpitandro filaminana avy amin’ny Emmoreg nandrava ny sakana tamin’ny arabe sy nanakana ny vahoaka tsy hihoa-pefy ihany koa. Araka ny fanazavana azo avy amin’ny mponina eny Anosimasina dia efa hateloana izao no tapaka ny jiro teny an-toerana. Nolazain’izy ireo fa misy fahasimbana ny fitaovana fintsinjarana jiro nefa tsy mety manamboatra ny Jirama. Rehefa miantso ny vahoaka ka tsy henoina sy atao tsinontsinona dia izao niafara tamin’ny savorovoro izao. Nipoaka ny sarom-bilany. Efa hatramin’ny fiandohan’ny taona no maro ny olona nanahy ny hisian’ny fipoahan’ny sarom-bilany noho ny fahantrana sy ny fahasahiranana mianjady amin’ny vahoaka. Nanampy trotraka ny fisondrotry ny vidim-piainana ny fitarazohan’ny delestazy izay tena lasa homamiadana mikiky ny fiainam-bahoaka mihitsy. Ankoatra ny mpivarotra sy ireo mpanao asa tenany izay voatery tsy mampidi-bola noho ny tsy fisian’ny herinaratra mantsy dia sahirana ihany koa ny isan-tokantrano indrindra ny mpianatra. Tena ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fanadinana tanteraka mantsy izao ny ankamaroan’ny fianarana nefa tsy afaka manao entimody sy famerenan-desona ny ankizy noho ny fahatapahan’ny jiro. Efa mipoaka ny tako-bilany ary mitroatra ny hetsi-bahoaka ary nanomboka izany ny teny Vontovorona ny talata ary notohizan’Anosimasina omaly alarobia. Ahiana hitatra amin’ny toerana maro manerana ny Nosy ny toy izany satria efa tena tsy zakan’ny vahoaka intsony ny olana mianjady aterak’ity delestazy lavareny ity.

Dom

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre