Ambatolampy – Efa romotra ny vahoaka
Rangahy iray nitondra fiara avy any amin’iny faritra Atsimo iny omaly no niaina ny tahotra mafy indrindra tamin’ny fiainany. Olona tsy fantatra no nanakan-dalana ary nangataka vola taminy sady nampatahotra azy fa mba hamoahany vola hividianana lasantsy handorana mpangalatra omby araka ny tenin’ireto mpanakan-dalana. “Eo ampanokafana poketra hanome vola izaho no olona be dia be mitangorona ny fiarako mandondona mafy be mihorakoraka io e io e toa izahay ilay nangalatra omby simba ny fiara. Natahotra be izaho fa soa ihany nisy sasany niteny hoe avelao izy handeha fa izy aza mandray anjara!”, araka ny filazan’ity rangahy tratra ity. Rehefa nandeha alohaloha kely dia olona maro hafa indray no nanao sakan-dalana amin’ny vato fa dia mbola nisy niantra ihany ka nanala ilay sakana. Porofo manamarina tokoa izany fa efa romotra ny vahoaka ary dia manaonao foana tsy mihevitra intsony ny zavatra ataony. Raha mitohy izao fitsaram-bahoaka izao dia loza ho an’ny firenena mihitsy.
S.A.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







