Vous êtes ici :

Samedi 18 Mai 2024

ombre

Antsahalina – Tratra ireo jiolahy miisa 7 nitondra rongony 7 gony

Mirongatra tsy misy ohatra izany ny resaka fivarotana sy famarotana rongony ao amin’ny faritra Sava. Na izany aza, manao izay ho afany amin’ny famongorana izany ireo mpitandro filaminana. Vao ny alarobia lasa teo izao no nahatratra rongony miisa 12 gony milanja 165 kg ny zandary tao Antsahalalina kaominina Ambohimalaza. Rongony avy any Ambanja saika hoentina hamidy any Antalaha izay teny ampelatanan’ny jiolahy fito lahy. Araka ny vaovao voaray dia fiaraha-miasa tamin’ny olon-tsotra teo an-tanàna izay nahatsikaritra fihetsika hafahafa tamin’ireo olona ireo no niantso avy hatrany ny mpitandro filaminana. Ireto  farany kosa nidina teny ifotony nijery ny zava-nisy ary taorian’ny fisavana natao dia tratra teo amin’ny toerana voalaza ho misy an’ireto jiolahy ireto ny rongony saingy roa lahy sisa izy ireo no nifanehitra tamin’ny zandary ka raikitra ny fifanenjehana. Mbola nikasa ny hamaly ny iray tamin’ireto olon-dratsy ka avy hatrany dia nitifitra tamin’ny basy ireo mpitandro filaminana. Voa tamin’izany ny tongotry ny iray. Nentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny zandary ireto jiolahy voasambotra ireto natao fanadihadiana. Nitsotra izy ireo fa tsy azy ireo entana ireo, izay saika hotaterina ary nilaza fa mpikarama fotsiny ihany izy ireo. Araka ny vaovao voaray dia 240 000 ariary ny karama itondrana ireo entana mandra-pahatongany amin’ny toerana tokony hanondranana azy. Efa manomana tetika manokana amin’ny fitaterana rongony ireto jiolahy ireto mba tsy hahatratran’ny mpitandro filaminana ny asa ratsy ataony. Mbola karohina kosa ireo namany 3 hafa tafaporitsaka ary efa nentina notsaboina any amin’ny hopitaly kosa ilay lehilahy voatifitra teo amin’ny faritry ny tongony.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre