Vous êtes ici :

Dimanche 05 Mai 2024

ombre

Antsohihy – Lasa fanaovana maloto ny tsena manara-penitra

Tsy misy mpivarotra na dia iray zaza. Manomboka misy nangalatra tsikelikely ireo kojakoja rehetra toy ny varavara sy ny varavarankeli’ny tsena manara-penitra ao Antsohihy renivohitra.  Lasa fanaovan’ireo tsy manana gabone sy ireo mpandalo fanaovana maloto sisa izany tsena izany ankehitriny. Tsy vitan’ny anaovana maloto fa ahitana fimailo efa nampiasaina sy silipo ihany koa ao anatin’ity tsena ity.

Marihina moa fa ity fotodrafitrasa ity izay somary mitokana lavitra ny tanàna ka dia tsy sarotra amin’ireo olon-dia ny manao izany. Tsena  goavana iray izay mahazaka mpivarotra an-jatony maro, mifefy tamboho ny manodidina ary misy tranom-pitanana eo akaikiny. Tsy mbola notokanana akory io tsena io nefa dia izao sahady no niafarany. Marihina fa tsena tena azo ampiasaina tokoa raha io fotodrafitrasa io no jerena satria efa vita loko voarafitra tsara avokoa . Izany hoe tokony fitokanana sisa no andrasana aminy. Nefa dia izao ampisehoan’ny sasany ny maha ambany toe-tsaina azy izao sahady.

Mitazana fotsiny ny tompon’andraiki-panjakana fa tsy misy fepetra na dia kely aza noraisiny mikasika ny fahasimban’izany fananana iombonana izany. Mety mbola tsy loha-laharana angamba ny anton’ity tsy fandraisana andraikitra ity, indrindra fa ny avy ao amin’ny Kaominana Antsohihy renivohitra I, izay tompon’andraikitra. Marihina fa tsy mbola nampiasaina akory ity tsena ity eny fa na dia indray andro monja aza nefa nandaniana vola tsy toko tsy forohana ny fanamboarana izany. Ankoatra izany, efa misy ihany koa ireo mponina amin’ny manodidina no efa manomboka manary fako ao anatin’izany tsena mitafo izany.  Iza no homena tsiny fa samy tompon’andraikitra ny tsirairay.

Safidy Andrianina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre