Vous êtes ici :

Samedi 27 Avril 2024

ombre

Ambohimahasoa – Olona roa maty, omby 7 lasan’ny dahalo 40 lahy

Tamin’ny sabotsy 11 febroary 2017 lasa teo no tonga nanafika tao Atavokely fokontany Sohanimira, kaominina Ambatosoa distrika Ambohimahasoa faritra Matsiatra Ambony ireo dahalo ireo. Tokony ho tamin’ny 05 ora sy 30 minitra hariva no nitrangan’izany fanafihana izany. Nirongo basy sy fitaovam-piadiana mahery vaika ireo malaso ireo nandritra izany fanafihana tao amin’ity tanàna iray ity izany. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa lasa tamin’izany ny omby miisa 07, izay an’olona telo samihafa. Manoloana izany, nanao ny fanarahan-dia ny zandary niaraka tamin’ny fokonolona. Vokany, nisy ny fifandonana teo amin’ny roa tonta ka olona 02 avy amin’ny fokonolona no maty voatifitr’ireo dahalo. Tsy nisy tafaverina ny omby fa lasa avokoa.  Ny mpitandro filaminana ao Vohiposa no mandray an-tanàna ny fikarohana ireo dahalo. Miaina tanteraka ao antin’ny tsy fandriam-pahalemana ny vahoaka any an-toerana satria tsy mba miandry maty masoandro ny fanafihana fa na andro antoandro aza dia efa misy ireo dahalo no tonga manafika. Tsy misy toerana izany tsy aharenesana fanafihan-jiolahy intsony eto Madagasikara. Tsy hita ihany izay hiainana satria mihary ny vahoaka nefa alain’ny dahalo ao anatin’ny fotoana tsy am-poizina ny hasasarana tao anatin’ny taona maro. Ankilany, maro ireo roboka amin’ny asa maizina noho ny tsy fisian’ny asa. Iza no tompon’andraikitra? Halefa any amin’iza ny tsiny? Ny zava-dehibe angamba dia ny fiezahan’ny tsirairay mamerina ny lanjan’ny maha Malagasy. Fitandroana ny fihavanana sy ny firaisankina ary ny fifanampiana.

Farah

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre