Vous êtes ici :

Jeudi 09 Mai 2024

ombre

Fangalarana taolam-paty – Olona miisa telo saron’ny mpitandro filaminana tao Toamasina

Sarobidy teo amin’ny Malagasy ny resaka razana sy ny tontolony. Ankehitriny anefa dia tena misy ireo olona sahy manota fady amin’ny alalan’ny famakiana fasana isan-karazany sy ny fivarotana taolam-paty. Maro tokoa ireo fasana efa lasibatra raha tsy hiresaka afa-tsy ny tao Toamasina fotsiny. Raha ny tatitra azo avy amin’ny mpitandro filaminana mantsy dia fasana am-polony maro no nisy namaky raha ny volana septambra sy oktobra 2016 fotsiny no asiana resaka. Tao amin’ny kaominina Ampasimbe, distrikan’i Brickaville no nisian’izany. Ny mampalahelo dia ripaka tsy nisy avokoa ireo taolana rehetra ary tsy fantatra ny olona nahavanon-doza. Maro koa ireo fitarainana voarain’ny zandary tao an-toerana ka tsy maintsy nanao izay fomba rehetra hanatratrarana an’ireo olon-dratsy ireo ity farany. Ny kaompanian’ny zandarimariam-pirenena sy ny borigadin’ny Zandary ao Toamasina no niandraikitra ny raharaha ary azo lazaina fa nahomby ny paikady napetrak’izy ireo. Raha ny vaovao voaray mantsy dia olona miisa telo voalaza fa tompon’andraikitra tamin’ny famakiana fasana tao an-toerana no voasambotra ny faran’ny herinandro teo. « Fiaraha-miasa tamin’ny olon-tsotra sy ezaka manokana avy aminay no nahafahana nahazo izao vokatra izao. Nanjary lasa bizina mandeha mantsy io resaka varotra taolam-paty io ka tsy maintsy natao izay hanafoanana azy. Hatramin’izao aloha dia ireto olona telo ireto no tratra fa mbola maro ireo namany tsy mantsy hokarohina », hoy ny Lietna Ramaroson Tolotra, lefitry ny Kaomandan’ny kaompania ao Toamasina. Araka ny fanampim-baovao voaray hatrany, ny roa amin’ireo voasambotra dia mpanatanteraka ny halatra mihitsy, izany hoe mpamaky fasana, ary ny iray kosa, izay vehivavy, dia mitady mpividy. Fanadihadiana lalina ihany koa no nahafantarana fa ilain’ireo mpanao afera ratsy ny taolam-paty mba hanafenana ny entana tian’izy ireo haondrana antsokosoko. Misy mpamadika toy ny fotaka izy ireny ary hamonosana entana mba tsy ho hitan’ny « scanner » eny amin’ireny seranana samihafa ireny.

R.T.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre