Vous êtes ici :

Lundi 20 Mai 2024

ombre

Mpianatra ao amin’ny Ltp – Maty namonjy ny namany natelin’ny ranomasina

Nampihetsi-po ny maro tokoa ny tantaran’i Giovanni, mpianatra ao amin’ny Lisea teknika Toamasina (Ltp), izay vao 17 taona monja izao nindaosin’ny fahafatesana izao. Fitsangatsanganana nahafinaritra tokoa no nivadika ho loza. Natelin’ny ranomasina teo Ambinany Rangazaha Ambodiatafana, lalam-pirenena faha-5 mivoaka ny Toamasina ho any Foulpointe iny ny tenany.  Kilasy fahatelo ao amin’ny lalam-piofanana fitantanana  i Giovanni Heritiana.

 

Nanao fitsangatsanganana tany Ambodiatafana tamin’ny sabotsy lasa teo izy no maty noho ny fitiavany ny namany,  rahalahy. Nafana ny andro ka dia nisy tamin’ireo mpianatra no nilomano.  Araka ny fanazavan’ireo nanatri-maso, dia nisy mpianatra tsy mahay milomano ka nentin’ny rano ary saika nilentika. I Giovanni Heritiana no  niezaka nanavotra ilay namany saingy izy indray no tra-doza natelin’ny ranomasina. Nanao izay azony natao ny fokonolona hanavotra azy teny an-toerana saingy tsy tana intsony ny ainy. Mila mitandrina ny rehetra amin’ny filomanosana amin’ny ranomasina ao Ambodiatafana. Tsy ny ao ihany fa ny sisin-dranomasina atsinanana iray manontolo iny mihitsy eny manomboka avy aty Vatomandry mianavaratra iny. Ny moron-dranomasina eny amin’ny “Cité Canada”, aty atsimon’ny Seranana sy ny eny Darafify, avaratra ny toerana misy ny hopitaly Be. Ireo matetika no  matetika no mamono olona ary efa saika ho isan-taona  izy io. Nanamafy rahateo ireo mpanjono sendra nanontaniana fa tena mahery tokoa ny ranomasina eny amin’iny faritra iny.

 

Safidy Andrianina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre