Vous êtes ici :

Samedi 18 Mai 2024

ombre

Fivarotana Rongony – Ramatoa iray voasambotra niaraka amin’ny zafikeliny

Efa “Business familial” mihitsy no tena mahalaza azy. Renim-pianakaviana iray  miaraka amin’ny zanany lahy ary ny zafikeliny no voasambotra ny zandarimariam-pirenena tao Toamasina amin’ny fanaovana aferana rongony tao Betainomby. « Tsy ananana indra-fo ny fitandroana filaminana sy fandriam-pahalemana eto Toamasina” , hoy ny eo anivon’ny zandarimaria ao Toamasina. Tsy maintsy nosamborina i bebe sy ny zafiny satria anisan’ny antony mampirongatra ny tsy fandriam-pahalemana eto Toamasina io resaka rongony io. Ny tsy fandriam-pahalemana izay efa tena mampitaintaina ny vahoaka ao Toamasina tsy andro tsy alina ary efa isan’andro mihitsy fa tsy mifidy ora intsony. Marihina fa mifoka rongony aloha ireo mpanao ratsy maka risika alohan’ny hanaovany ny asa ratsiny. “Tsy misy olona “lucide” ka mahavita manindrona atsy olona izany eto amin’ny fiainana raha tsy mandray zava-mahadomelina kely na toaka. ary dia ny rongony no anisan’ny voalohany raisin’ireo mpanao ratsy rehefa hanomana ny asa ratsiny izy ireny”, hoy ny lehiben’ny manam-pahefana iray tao an-drenivohitra ny faritra Betsimisaraka.

S.A

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre