Vous êtes ici :

Dimanche 05 Mai 2024

ombre

Fetin’ny mpifankatia – Maro ireo hotely mampiakatra ny hofan’ny efitrano

Andro miavaka tokoa androany indrindra fa eo amin’ireo mpifankatia. Tsy voatery ho eo amin’ny olon-droa ihany anefa no afaka anehoana izany fitiavana izany fa na eo amin’ny samy mpiray tampo sy ny mpihavana aza. Toa ny isan-taona dia fotoana iray ifanakalozan’ireo mpifankatia fanomezana izay mankalaza izany ity andro androany ity. Tsy vitsy amin’izy ireo koa ireo miara-mandeha misitaka kely ny renivohitra na maka toerana milamina ahafahana manamafy ny fitiavana. Maro ihany koa anefa ireo misafidy ny hanofa ireny efitrano fandraisam-bahiny ireny, izay tena efa maro tokoa raha ny eto an-drenivohitra fotsiny no asian-teny. Araka ny fanadihadiana natao anefa dia maro ireo hotely hampiakatra ny hofan’ny efitranony. Tsy hiakatra zato isan-jato anefa izany fa eo amin’ny dimampolo isan-jato eo ihany raha be indrindra. Ny fahabetsahan’ireo mpifankatia misafidy ny handeha amin’ireny toerana ireny no mahatonga izany hoy ny mpitantanana hotely iray ao Analakely. Fotoana iray ahafahan’izy ireo manararoatra noho izy ireny efa tsy dia mandeha intsony.

R.T.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre