Vous êtes ici :

Samedi 04 Mai 2024

ombre

Ambato-boeny – Tovolahy iray nitifitra renim-pianakaviana

Efa fahadalana ve sa sorisorin’ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena ny olona sasany ka dia mahavita mandatsak’aina amin’ny tsy antony ? Sarotra tokoa ny fiainana fa ny fahatoniana ihany no vahaolana enti-miatrika izany. Tamin’ny zoma 10 febroary lasa teo tokony ho tamin’ny 12 ora alina, tany Ambohitromby ao amin’ny fokontany Andranomamy, distrika Ambato-Boeny, faritra Boeny. Lehilahy iray no nitifitra nahafaty ny renim-pianakavina 47 taona eo ho eo. Araka ny vaovao voaray dia ny filoham-pokontany ao an-toerana no nanome vaovao ny mpitandro filaminana. Rehefa nahavita ny asa ratsiny ity lehilahy ity dia rifatra nandositra. Araka ny fanazavan’ny vehivavy iray mpiray trano tamin’ity maty dia niditra an-keriny tao an-trano io tovolahy io, tsy nisy halatra na resaka nifanazavana fa avy hatrany dia nitifitra ilay vehivavy, izay efa toa anatin’ny torimaso tanteraka. Teo anatrehan’izany, nandray ny andraikiny ny manam-pahefana rehefa nazava tamin’izy ireo ny fandehan-draharaha rehetra tao amin’ity tokantrano ity. Natao ny fikarohana ka tratra ihany ilay nahavanon-doza. Ny zandary avy any Andranomamy no manao ny fikarohana. Mila fampatsiahivana ny fahazoana mampiasa basy eto amintsika fa tsy izay rehetra mahay mandray izany akory dia afaka mampiasa avokoa ka mahavanon-doza amin’ny mpiara-belona ny sasany rehefa tsy mahafehy tena.

Farah

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre