Vous êtes ici :

Dimanche 05 Mai 2024

ombre

Marovoay – Mampianatra iray maty notapahan-tenda

Mampihoron-koditra ny maro, na eto an-drenivohitra na amin’ny faritra, ny tsy fandriam-pahalemana. Mandry tsy lavo loha ny Malagasy ankehitriny anefa na ny fitondrana mahefa aza dia tsy azo antenainy fa dia minia manampin-tsofina fotsiny. Anisan’ny fampanantenana nataon’ity fanjakan-dRajaonarimampianina ity ny hamongorana na ny hanenana ny tsy fandriam-pahalemana.

Tanàna milamina sy madio no neritreretina saingy korontana sy vono olona, halatra sy fitsam-bahoaka no mibahan-toerana eo amin’ny fiainan’ny Malagasy ankehitriny. Anisan’ny toerana anjakan’ny hetraketrak’ireo mpanao ratsy i Marovoay. Ny alahady lasa teo dia lehilahy voalaza fa mpampiantra ao amin’ny sekoly ambaratonga voalohany ao Tsimahajao, ao an-tampon-tanànan’i Marovoay no hitan’ny fokonolona ny fatiny. Araka ny vaovao voaray dia tapaka ny lohan’ity rangahy ity ary nofo kely fotsiny sisa no mihazona izany tsy hisaraka amin’ny vatany. Fomba feno habibiana tokoa no nentina namonoana azy araka ny voalazan’ny zandary izay nampanantsoina raha vantany vao nahita ny razana ny fokonolona. Raha ny nambaran’ny mpitsabo nitily akaiky ny razana dia nikiraviravy ny saokany ary tsy vitan’izany fa mbola nahitana ratra maro isan-karazany koa teo amin’ny fihirifany sy ny lohany. Marihina fa toerana tsy lavitra ny fonenany no nahitana azy ary olona sendra nandalo no nahita azy efa nivalampatra teo amoron-dalana, efa tsy misy aina intsony. Mipetraka noho izany ny fanontaniana hoe nisy olon-dratsy efa nitetika ny hamono azy ve sa fanendahana tsy voafehy no nanjary nihitatra tonga hatramin’ny fanapahan-tenda? Hatramin’izao dia mbola tsy fantatra ny antony namonoana azy na ny olona nahavanon-doza. Mitohy ny fanadihadiana ary ny razana kosa dia efa natolotra ny fianakaviany.

R.T.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre