Vous êtes ici :

Mercredi 15 Mai 2024

ombre

Ambohitradala Andilamena – Taolam-paty roa gony hita tao an-tokontanin’ ny Ben’ny tanàna

Ny maraim-ben’ny alatsinainy 13 febroary 2017 no tsikaritr’ireo olona nivoaka avy tao amin’ny tokantrano iray fa nisy taolam-paty roa gony izay sahabo ho razana 15 any ho any napetrak’olon-tsy fantatra teo an-tokontany. Marihina fa tranon’ny Ben’ny tanàna izy ity saingy ny fianakaviany no mipetraka ao. Manahy mafy ny fisian’ny ambadika amin’izao toe-draharaha izao ireo fianakaviana. Heverin’izy ireo ho fanasoketana sy fandotoana ihany koa. Tsy vao sambany akory ny fahitana tranga tahaka izao na fahatratrarana taolam-paty tao amin’ny distrikan’Andilamena.  Vao tsy ela akory izay no nisehoana toe-javatra tahaka izao in-droa nisesy tany an-toerana ary efa nisy ny olona voatonontonona ho tompon’antoka amin’izany. Efa eo am-pelantanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha amin’izao fotoana izao ary efa mandeha ny fanadihadiana rehetra.

Ange R.

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre