Vous êtes ici :

Samedi 18 Mai 2024

ombre

Fandriana – Nametra-pialana ny Chef Cisco

Hentitra tanteraka ny minisitry ny fanabeazam-pirenena amin’ny fanaraha-maso ny fandraisana ireo mpampianatra Fram ho mpiasam-panjakana.

Tamin’ny herinandro lasa teo dia nanao fampitandremana ho an’ireo chef Cisco rehetra ny minisitry ny fanabezam-pirenena Paul Rabary ny amin’ny fandraisana ireo mpampianatra Fram ho ara-dalana amin’ny maha mpiasam-panjakana azy ireo amin’izay. Notsindriany mafy tamin’izany ny ao amin’ny distrika Fandriana Faritra Amoron’i Mania satria diso mibaribary loatra ny fanaovana kolikoly eo amin’izany sehatr’asa izany, indrindra ny famoahana ny anaran’ireo mpampianatra voaray ho mpiasam-panjakana raikitra tamin’ny andiany fahefatra.

Araka ny vaovao voaray farany, dia nametra-pialana ity tompon’andraikitra tsy mahafehy ny asany amin’ny maha mpanabe azy ity fa nanararao-pahefana sady tia tena.Tsy mba nahay nametraka ny tenany ho modely sy fakan-tahaka tsara. Fanabeazana sy fampianarana, famolavolana olona ho tompon’andraikitra eo amin’ny fiarahamonina sy ny firenena nefa dia atao alasafay fotsiny izao noho ny fitadiavana tombontsoa manokana. Raha hentitra toa ny minisitry ny fanabezam-pirenena ny tompon’andraiki-panjakana rehetra eto amin’ny firenena dia azo antenaina fa ho afaka ao anatin’izao kizon’ny fahantrana izao ny firenena satria ny kolikoly no fototra tsy mampandroso. Tsy tazana eo amin’ny sehatry ny asa ireo avara-pianarana mahafehy ny asa tokony hatao fa ireo kamo saingy manam-bola no mahazo seza, hany ka ny hamerina izay niala am-paosy nividianana toerana no vaindohan-draharaha fa tsy ny hitady izay fomba hahitana hevitra ho an’ny tombontsoa iombonana.

Tahirisoa

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre