Vous êtes ici :

Dimanche 05 Mai 2024

ombre

Vehivavy bevohoka hita faty – Novetavetaina avy eo nahohoka tao anaty tatatra

Horohoro sy tebiteby lalandava no iainan’ny Malagasy amin’izao fotoana izao. Vono olona etsy sy eroa foana matetika no vaovao mba hita eny amin’ny lohateny an-gazety. Midika izany, ary tsy azo lavina fa tsy ampy ny fandraisan’andraikitry ny fitondram-panjakana ny amin’ny famongorana ireo olon-dratsy, na ny amin’ny fanenana ny tsy fandriam-pahalemana eto amin’ny tany sy ny firenena fotsiny. Mampalahelo mantsy fa mirongatra ny habibiana etsy sy eroa ary maro ireo olona tsy manan-tsiny no matimaty amin’ny tsy misy dikany. Ny alatsinainy antoandro lasa teo izao no nitrangana vono olona miharo habibiana teny Ambohidratrimo, fokontany Mahatsinjo ao anatin’ny kaominina Anjanadoria. Ramatoa iray voalaza fa bevohoka no nisy nanolana sy novonoina avy eo nariana tao anaty tatatra ny fatiny. Raha ny vaovao azo dia mpampianatra io vehivavy vao herotrerony io satria manodidina ny 26 taona eo ho eo izy.

An-dalana namonjy fodiana izy no nifanehitra tamin’ireo tsy mataho-tody izay avy hatrany dia nanararaotra azy. Ny lalana rahateo mangingina ka mora tamin’izy ireo no nanolana ilay ramatoa. Tsy nanaiky mora ilay vehivavy ary tsy maintsy notaperin’izy ireo ny ainy. Rehefa hita fa tsy misy aina intsony ny vatany dia natsipin’izy ireo tao anaty tatatra izy, ary ny lohany no nalefany aloha. Ny razana dia tsy hitan’ny fianakaviana raha tsy ora vitsy taty aoriana taorian’ny fikarohana natao. Rehefa nahavoaray ny vaovao ny zandary dia nidina an-toerana niaraka tamin’ny dokotera. Rehefa nozahana ny vatan’ilay vehivavy dia hita fa niharan’ny fanolanana faobe izy ary teo koa no nahitana fa mitondra vohoka 3 volana izy. Nahitana faritra maratra ihany koa ny vatany manontolo ary hita fa niharo daroka ny fanolanana azy.

R.T.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre