Vous êtes ici :

Vendredi 03 Mai 2024

ombre

Antandrokomby – Anosizato Andrefana – Nisy namaky ny Epp

Raha ny zava-misy eo amin’ny fiainam-piarahamonina ankehitriny no dinihina dia sekoly natao mba hidiran’ireo zaza avy amin’ny fianakaviana sahirana an-tsekoly sisa ny Epp na ny sekoly fanabeazana fototra. Ireo  manan-katao kosa mahaloa saram-pianarana lafo isam-bolana dia mandefa ny zanany any amin’ny sekoly tsy miankina. Raha dinihina dia toeram-piahiana ny mpiray tanindrazana sahirana mba ho afaka miditra an-tsekoly ireo kilonga madinika. Mahavariana ihany anefa fa misy ireo mbola mahavita manararaotra ireny toeram-panabeazana ireny toy izay nitranga tao amin’ny Epp Antandrokomby, kaominina Anosizato Andrefana, ao anatin’ny distrika Antananarivo Atsimondrano.

Nisy nandroba ny alin’ny alarobia hifoha omaly alakamisy 16 febroary 2017 ity sekoly fanabeazana fototra ity. Araka ny loharanom-baovao dia very tamin’izany ny solosaina roa, ny vilanin’ny sekoly miisa roa, kidoro sivy sy boky vitsivitsy, ankoatra izay mbola tsy voasoratra, araka ny fampahafantarana nataon’ny Talen’ny Epp Randrianjafy Elidio. Misy mpiambina ny sekoly. Tsy afa-nanohitra anefa izy satria nirongo fitaovam-piadiana ireo jiolahy sady nanambana azy tamin’ny antsy. Efa-dahy ireo nanafika araka ny fitantaran’ity farany. Tsapa fa miezaka ireo tompon’andraikitra amin’ny fampandrosoana ny sekoly mba hitovian’ireo zaza beazina ao mba hitovy amin’ny rehetra. Izao anefa dia misy tsy mataho-tody ka sahy mandroba izay mba fananana ampiasaina amin’ny fampandehanana ny fanabezana sy fampianarana sahanin’ireo mpanabe ao an-toerana.

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre