Vous êtes ici :

Vendredi 17 Mai 2024

ombre

Mahajanga – Toeram-pivarotana farafara sy kidoro levon’ny afo

Ankoatra ny tsy fandriam-pahalemana dia ny haintrano no mampitaintaina faharoa ny vahoaka malagasy. Tao anatin’izay delestazy lava izay mantsy dia lasa mampiasa labozia ny olona ary matetika dia avy amin’izay foana no mahatonga ny firehetan’ny trano. Omaly maraina vao mangitran-dratsy no nisehoana haintrano mahatsiravina tao Mahajanga, tao amin’ny faritra iray antsoina hoe Mahabibo Kely. Toeram-pivarotana ireny farafara vita amin’ny hazo sy kidoro ary izay mety ho kojakoja ilaina amin’izany ity trano nidiran’angano ity. Tsy fantatra hatramin’izao izay mety nahalevon’ny afo azy io fa ny fantatra dia tsy nisy azo noraisina ny entana rehetra. Ny tao anaty trano rahateo kojakoja mora mirehitra avokoa ka nahamora ny fiparitahan’ny afo. Tao anaty minitra vitsy dia levona ny fananana nihariana tao anatin’ny taona maro. Ny fokonolona teo an-toerana no niandraikitra ny famonoana ny afo sy ny fitsimponana izay tapa-porohana sisa tsy may.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre