Vous êtes ici :

Mardi 30 Avril 2024

ombre

Tambajotram-behivavy Milaza ho tsy ampy taona hisolokiana lehilahy

Efa tsy mifidy saranga intsony amin’izao fotoana izao ny fisolokiana olona avo lenta fa dia tafiditra soa aman-tsara ao ihany koa ny vehivavy. Tato anatin’ny roa volana izay dia maro ireo tera-tany vahiny mipetraka na mandalo ao Toamasina no nahazoana fitarainana. Eny amoron-dranomasina  ireo tovovavy no mipetrapetraka rehefa alina ny andro miandry izay hojonoina. Koa rehefa misy lehilahy mampiresaka azy ireo dia izy mihitsy no mitaona an’ilay lehilahy hiaraka aminy.

Rehefa vita ny resaka sy ny fifanarahana rehetra dia lasa mamonjy toeram-pandraisam-bahiny. Ao anatin’ny fiarahana dia misy fotoana ivoahan’ilay tovovavy ka manararaotra mitsoriaka miantso polisy izay efa naman’izy ireo akaiky sy efa mpiray tsikombakomba aminy  ao anaty tambajotra. Vetivety tokoa dia tonga izany mpitandro  filaminana izany : mody misava karapanondrom-pirenena amin’izy roa. Eo no milaza fa tsy ampy taona ilay tovovavy. Manomboka eo dia raikitra ny fandrahonana an’ilay lehilahy, satria, niaraka tamin’ny zaza tsy ampy taona. Izany dia sarin’ady mody efa fanaon’izy ireo mba hakana vola amin’izay tratra. Mitaky vola hatramin’ny roa tapitrisa ariary (10 millions Fmg) mihitsy ireto farany mampatahotra ilay tovolahy  mba tsy hampihitatra ny raharaha. Ireto polisy entin’izy  ireo moa dia tsy fantatra intsony na tena izy na polisy sandoka fa dia izay indray zao no lasa fanaon’ny tovovavy ao Toamasina ao.

 

Nangonin’i S.A.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre