Vous êtes ici :

Lundi 29 Avril 2024

ombre

Lomano tompondaka nasionaly – « Record » telo no montsana teny Vontovorona

Niraraka ny “record” teny Vontovorona nandritra ny fiadiana ny Tompondakan’i Madagasikara tanora sy ho an’ny daholobe ary teo amin’ny fiadiana ny filaharana  tamin’ny taranja lomano farany teo iny.  “Record” telo no montsana ary zava-bita tsara indrindra efatra kosa no vitan’ireo mpilomano teny amin’ny dobo olympika Vontovorona.  Aina Estellah Fils Rabetsara mpilomanon’ny Managing no nandrava ny voalahany teo amin’ny  « 50m dos » tamin’ny 0.31,79 raha 0.31,94 izay izy ihany no nahavita izany tany Toamasina ny 6 may 2016. I Elodie Marion Razafy izay mbola mpilomanon’ny Managing ihany no nahavita nilomano tao anatin’ny 1.08,67 teo amin’ny “100m Papillon”  raha 1.09,83 ny teo aloha izay i Estellah no nandrava izany tamin’ny 19 febroary 2012 tao amin’ny Ans Ampefiloha. Ny farany kosa dia i John Rakotomavo  klioba St Michel, teo amin’ny “200m papillon” lehilahy. Vitany tao anatin’ny 2.20, 26 raha toa kosa ka  2.22,62 ny “ record” telo aloha vitan’i Erick Rajohnson tamin’ny voalohan’ny volana septambra 2003 tany Maorisy.  Teo amin’ny zava-bita tsara indrindra koa dia mbola i Elodie Marion Razafy dia mbola nahavita teo amin’ny 50m dos junior, 31,95 raha toa ka  32,51 no nanaovan’i Estellah izany tamin’ny  26 aprily 2013. Ny roa hafa dia i Idealy Tendrinavalona , mpilomanon’i klioba Cosra teo amin’ny “50m dos” sokajy zandriny, tamin’ny 33,41 raha 33,63 ary koa  “100m dos” sokajy zandriny ihany, 1.14,00 raha toa ka 1.14,96 izay ny zokiny vavy Hasina Diamondra no nahavita  izany tamin’ny 2 may 2009. Taorian’iny fifaninanam-pirenena iny ihany dia fantatra ireo hisolontena antsika any amin’ny tompondaka maneran-tany izay hatao any Budapest  manomboka ny 14 hatramin’ny 30 jiolay izao. Mickael Rasolonjatovo, St Michel (3706, 17 points) Lalanomena Anthony Andrianirina (3444, 79 points) ho an’ny lehilahy ary dia mpila ravinahitra avy any ivelany  iray   Elodie Razafy (3598,53 points) sy  Fils Rabetsara Aina Estellah (3461,85 points), mpilomanon’ny Managing kosa ny vehivavy.

S.A.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre