Vous êtes ici :

Mardi 30 Avril 2024

ombre

Morondava – Lasan’ny dahalo ny omby 80 isa, olona 6 maty

Dahalo miisa 30 mahery no nandravarava ny tanànan’Antevamena, Tanana kely ao anatin’ny Distrikan’i Morondava tamin’ny marainan’ny zoma lasa teo. Olona enina maty tsy tra-drano, nofiraina tamin’ny antsy sy nokapaina tamin’ny famaky ary lasa tamin’izany ny omby 80 isa.

Ankoatra ny fandrobana fananana dia olona enina no maty nokapakapain’izy ireo tamin’ny famaky. Tsy nisy nanapo na inona na inona ny tao an-tanàna satria iny nifoha maraina hamonjy ny asa aman-draharaha iny no nandre tampoka ny feom-basy nirefodrefotra sy ny tsoka kiririoka. Teo anatrehan’izany, notetezin’ireo malaso avokoa ny valan’omby tao an-tanàna namoahan’izy ireo ny omby rehetra. Lasa tamin’izany ny omby miisa 80 teo ho eo. Niezaka niaro ny fananany ireo tompon’omby nampian’ny fokonolona ka nanohitra ireo dahalo araka ny loharanom-baovao. Tamin’ny fotoana hivoahan’izy ireo ny tanàna handroaka ny omby no nisakana ny fokonolona, izay efa mba nitondra izay zava-maranitra hanoherana ireo olon-dratsy. Raikitra ny fifandonana teo amin’ny roa tonta. Betsaka ihany ireo dahalo ary manana fitaovam-piadiana mahery vaika ka tsy nahaleo tosika ny fokonolona. Vokany, tompon’omby roa no voa teo amin’ny tendany, efatra kosa voakapa tamin’ny famaky teo amin’ny lohany, ny tratrany ary ny kibony. Samy namoy ny ainy avokoa izy enina ireo araka ny loharanom-baovao hatrany. Taorin’izay dia niezaka nanavotra ny ainy ny fokonolona ka tafaporitsaka mora foana ireo dahalo niaraka tamin’ny omby rehetra. Fotoana fohy taorian’izay vao sahy nampandre ny zandary ireo mponina. Nanatanteraka ny fanarahan-dia izy ireo niaraka tamin’ny vatan-dehilahy matanjaka ao an-tanana ary mbola mitohy izany.

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre