Vous êtes ici :

Mardi 16 Avril 2024

ombre

Miova hevitra tsikelikely

Efa manomboka manamarina an-kolaka ny tsy maintsy hisian’ny fanovàna Governemanta ny filoham-pirenena. Nambarany mazava tamin’iny herinandro iny fa azo atao ny fanovàna rehefa tonga ny fotoana mampety azy. Efa hatramin’ny volana desambra niandohan’ilay resaka hoe horavàna ny governemanta Mahafaly ka hosoloina hafa no tsy nandà mivantana izany ny filoham-pirenena. Nolazainy matetika fotsiny hoe misy olona « mahita volana alohan’ny abiby ».  Izany hoe tsy nandiso ny resaka miely izy no tsy nanamarina. Ny tsy fantatra fotsiny dia ny hoe rahoviana io fanovàna io. Raha tsy hisy mantsy dia efa niteny ny filoha fa hotazomina mandra-pahatongan’ny fifidianana amin’ny taona 2018 ny Governemanta ankehitriny. Ny tsy filazàny izany mba hisian’ny mangarahara anefa dia mampieritreritra ny vahoaka mahakasika ny hoavin’ny fomba fitantanana ny firenena. Io ekipan’ny minisitra ankehitriny io mantsy no nahazo ilay famatsiam-bola sy fampiasam-bola mitentina 10 miliara dolara mahery nampanantenain’ny kaonferansa tany Paris ny volana desambra 2016 lasa iny. Izany hoe ny tetikasa sy volavolam-pampandrosoana naroson’ny minisitera sy ny tsirairay no nahazo fanohanana avy amin’ny mpiara-miombon’antoka sy ny mpamatsy vola iraisam-pirenena. Raha ny tokony ho izy izany dia ireo minisitra ankehitriny ireo ihany no tokony hanatanteraka izay tetikasa rehetra nahazoana famatsiam-bola. Toa tsy mifanandrify amin’izany anefa ny zava-misy satria hita sy tsapa ny fisian’ny fizarazarana sy ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny samy mpikambana ao amin’ny Governemanta, ary ihany koa ireo manam-pahefana hafa manohana izao fitondrana mijoro izao. Efa notebahin’ny filoham-pirenena mazava rahateo nandritra ny kabary nataony tamin’ny fifampiarahabana nahatratra ny taona teny Iavoloha fa misy « mpamosavy malemy » ao anaty fitondrana ao. Na tsy notondroiny mazava aza ireo mpamadika tafiditra ao anaty ekipany dia inoana fa tsy maintsy ho minisitra na fara-faharatsiny mpanolo-tsaina sy mpiasam-panjakana ambony izay olom-boatendry avokoa.

Hita ihany koa hatramin’ny fiandohan’ny taona fa ampahany vitsy amin’ireo minisitra ihany no tena mihetsiketseka sy miezaka ny hanao izay hanatsarana endrika ny fitondrana eo anatrehan’ny vahoaka. Matetika dia mizara telo ny mpitondra Fanjakana rehefa manao hetsika ka ny ekipa voalohany dia tarihin’ny filoham-pirenena, ny faharoa miaraka amin’ny praiminisitra ary ny fahatelo dia miara-dia amin’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena. Ireo ekipa telo ireo ihany no tena hita fa miezaka mafy mampiseho fa miasa sy mahita vokatra ho an’ny vahoaka ny mpitondra Fanjakana ankehitriny. Ny hafa kosa dia tsy hita mihitsy izay tena hataony fa toa mangingina na mipoitra ihany fa resa-be no betsaka.

Tonga amin’ny kihon-dalana tsy maintsy handraisana fanapahan-kevitra ny filoham-pirenena noho izany rehetra izany. Roa ny safidiny dia ireto : voalohany mitazona ny Governemanta ankehitriny nefa kosa tsy maintsy manao izay handaminana sy hampirindrana ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasan’ireo minisitra rehetra. Ny faharoa kosa dia ny fanovàna ny Governemanta amin’ny alalan’ny fanesorana sy fanoloana ireo minisitra hita fa tena tsy mahomby mihitsy.

Sarotra ihany ny toe-draharaha satria mariky ny fanekena ny tsy fahombiazana ny fanovàna Governemanta isan-taona. Mampiseho ihany koa fa tsy marin-toerana ny asa fampandrosoana sy ny fomba fitantanana ny firenena. Ankoatra izany dia tsy misy antoka mazava fa ho afaka ny hahomby noho ny amin’izao izany izay olona ho voatendry manaraka eo. Ny mpitady toerana rahateo efa miandry kendry tohana fotsiny ary maro ireo mpanao politika no manao izay fomba rehetra hahazoana seza ka mody manasohaso ny fitondram-panjakana nefa rehefa tena tafiditra ao dia toa lasa mamingana avy ao anatiny indray. Tena ho sarotra izany fanovana governemanta izany satria raha hanakaton-trano hiaraka amin’ny Hvm dia vao mainka hampitombo ny isan’ny mpanohitra sy ireo mihataka ny handrodanana ny fanjakana mijoro. Raha hisokatra amin’ny firenena hafa anefa dia sarotra ny hifehy izay olona hotendrena avy amin’ny antoko politika hafa.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre