Vous êtes ici :

Lundi 29 Avril 2024

ombre

Andavamamba – Raikitra ny tsindron’antsy, tovolahy telo nosamborina

Fihetseham-po tsy voafehy ka nanjary nivadika zavatra hafa, vokatry ny fifamaliana teny am-pilalaovana baby-foot dia lehilahy iray mbola tsy ampy taona no voatsindron’antsy ka maty teo noho eo teny Andavamamba.

Ny zoma lasa teo dia nisy olona tsara sitra-po tonga nilaza tao amin’ny biraon’ny polisy misahana ny ady amin’ny heloka bevava safelika faha-2 etsy Anosy fa misy tovolahy nisy namono teny Andavamamba ary efa nentina tao amin’ny tranom-paty ny razana. Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana no nahafantarana fa tovolahy vao 17 taona monja io maty io ary novonoin’ny namany izay niara-nilalao taminy. Raikitra ny fikarohana ireo nahavanon-doza ary ny ampitson’iny, izany hoe ny sabotsy 18 febroary ihany dia voasambotra teny 67ha sy Andranomanalina izy ireo. Telo lahy vao herotrerony no nosamborina tamin’izany satria dia 19 taona ny zokiny indrindra ary 17 taona kosa no zandriny indrindra.

Niaiky avy hatrany ny heloka nataony izy telo mirahalahy ary nilaza fa fifamaliana teo am-pilalaovana baby-foot teo Antetezana afovoany Andavamamba no nahatonga ny disadisa. Nilaza i Najaina fa nisy ny tsy fifanarahana ary nanapa-kevitra fa handeha hody haka antsy any an-tranony izy telo lahy. Rehefa tonga teo amin’ny toeram-pilalaovana anefa dia tsy nisalasala ny iray tamin’izy ireo fa avy hatrany dia nanindrona antsy. Rehefa nahita ny rà niparitaka tamin’ny tany izy telo lahy dia lasa nitsoaka tany an-tranony tsirairay avy. Ny olona izay nahita ilay lasibatra kosa dia nanampy azy ary nitondra azy tany amin’ny hopitaly saingy efa tsy nisy intsony ny azo natao. Taorian’ny fitiliana nataon’ny dokotera no nahalalana fa teo amin’ny faritra ambanin’ny nonony havanana no voatsindrona ka nahafaty azy teo no ho eo. Raha ny vaovao voaray ihany koa dia efa mpinamana efa ela izy ireo saingy nisy ny tsy fifanaraha dia izao niafara tamin’ny vono olona izao. Mety ara-bola no nahatonga ny fifamaliana satria miloka avokoa ny ankamaroan’ny mpilalao baby-foot eny.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre