Vous êtes ici :

Jeudi 16 Mai 2024

ombre

Boriboritany IV – Telo volana vao azo ny kopian-jaza

Tena Tsy Rariny ! Zanak’anabavina mpanao gazety  iray no saika hanamboatra kopia tao amin’ny Boriboritany fahefatra, ao anatin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Zaza teraka tamin’ny 31 janoary 2017, nanamboaran’ny rainy kopia fahaterahana tamin’ny 6 febroary 2017 no nilazan’ilay tompon’andraikitra ao amin’ity boriborintany fahefatra , fa amin’ny 11 avrily 2017 vao vita izany kopia izany. Raha nanontany ny rain’ilay zaza tamin’ny andro nahatongavany hanamboatra kopia io hoe « fa maninona no telo volana vao vita? » dia teny anavona no namalian’ity mpiasam-panjakana tompon’andraikitra fa « izay no fandaminana », raha ny fitantarany.

Voatery nanelanelana ity Mpanao gazety ka rehefa novonjeko ny lehibe tao ny 20 febroary dia raikitra ny fifanilihana andraikitra hoe « atsy amin’ny varavarana faha 11 no tompon’andraikitra amin’io, vonjena ny ao, milaza fa ao amin’ny varavarana faha 12 no tompon’andraikitra amin’io. Dondomina ny any tsy misy olona. Niverenana tao amin’ny birao teo aloha ary nampiana safoaka kely hoe tsy manaiky an’izao aho fa havoakako gazety izao fa misy raha tsy manjary », araka ny fitantaran’ity mpanao gazety.

Hagagana ny azy fa kay vita haingana ihany ny kopia fahaterahana eto Madagasikara.  Ary vita miaraka amin’ny vava hoe miverena rahampitso faha 21 febroary maka azy. « Voatery lasa biby fampitahorana tsy fanahy iniana ny asa fanaovan-gazety », hoy hatrany ny fitantarany.  Inona tokoa moa ny antony izany fa dia ilay fitiavana tsolotra daholo no mahatonga izany. Izay tsy mahalala olona sy tsy manan-katolotra dia tsy maintsy miandry ilay telo volana. Ahoana izany ny gasy kely rehetra tsy afaka mamaly ny lehiben’ny boriboritany ? Tsy karana, tsy sinoa ary tsy vazaha no tsy mampandroso an’i Madagasikara fa isika samy Malagasy ihany no mifanabotry. Porofo mazava fa tsy avy amin’ny fitondrana foibe no mahatonga izao fa isika samy madinika ihany raha toa ka azo sokajiana ho madinika ihany ilay mpiasam-panjakana tao amin’ny boriboritany fahefatra, kaominina Antananarivo.

Safidy Andrianina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre