Vous êtes ici :

Jeudi 31 Octobre 2024

ombre

Antsirabolo – Andapa – Lehilahy iray maty tsy tra-drano

Nitrangàna lozam-pifamoivoizana indray tany amin’ny Distrikan’Andapa omaly, teo amin’ny tanàna antsoina hoe Antsirabolo. Araka ny fanazavana voaray, dia roalahy izy ireo no niaraka tamin’ny môtô tamin’io fotoana io, ka nifanehatra tamin’ny fiara marika Peugeot 307 iray. Maty teo no ho eo ny tovolahy iray, raha naratra mafy kosa ilay niaraka taminy. Azo ambara ho nandeha mafy ilay fiara araka ny fantatra satria dia nifatratra tany anaty hady taorian’ny fifandonana. Nisy lalao baolina kitra tao amin’ny tanànan’Andohan’Antsahabe tamin’io fotoana io ka anisan’ny ao anatin’ny ekipa handray anjara amin’ny lalao ny tompon’ity kodiarandroa ity. Nanararaotra izany ireto tovolahy roa ireto ka nentin’izy ireo nandehandeha ilay fitaovam-pitaterana kinanjo loza no niseho.

Lucien.R

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre