Vous êtes ici :

Samedi 18 Mai 2024

ombre

Manakara – Nidoboka am-ponja ilay mpanao politika voatafika

Tsy fitiavana te handatsaka aina akory no mahatonga ny vahoaka Malagasy ho roboka amin’ny fitsaram-bahoaka fa ny tsy fanaovan’ny manam-pahefana ny asany ara-dalàna. Matin-kena-maso satria havan’ny manam-pahefana ambony ilay jiolahy. Tsy maintsy arovana fa tsy azo ampiharana lalàna toy ireo mpangalatra akoho sy mpanao hala-botry izay tsy maintsy midoboka an-trano maizina. Manjaka ny fanaovana ramatahora eto Madagasikara. Mpanao politika iray ao Manakara, renivohitry ny faritra Vatovavy Fitovinany no notafihan’ny jiolahy iray efa nitety fonja maro teto amin’ny Nosy. Voasambotr’ilay olom-panjakana ity farany saingy tsy sahy nampihatra lalàna ny mpitandro filaminana satria havana “deba” hono izy io ka manahirana. Araka ny loharanom-baovao dia izy voatafika indray no nidoboka am-ponja notorian’ilay jiolahy ho nifofo ny ainy, efa ho iray volana lasa izay. Eo anatrehan’izany dia betsaka ny manara-maso akaiky ity raharaha ity ny mponina any an-toerana ary manahy indrindra ny hisian’ny tsy fahatoniana ara-piarahamonina ka ho tonga amin’ny korontana. Vahoaka hendry ny Malagasy rehefa natao ho an’ny rehetra ny fampiharana ny lalàna fa tsy ho an’ny madinika irery ihany koa manaitra ny manam-pahefana mba hanao araka ny tokony ho izy ny asany mba hilamin’ny fiarahamonina eto Madagasikara.

Farah

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre