Vous êtes ici :

Dimanche 28 Avril 2024

ombre

Tsaratanàna – Tafaverina ny omby miisa 250, dahalo 3 maty voatifitra

Nisy fanafihan-dahalo mirongo basy tany amin’ny fokontany Ambatobe distrikan’i Tsaratanàna tamin’ny 17 febroary lasa teo ka omby miisa 250 no very tamin’izany. Taorian’izany dia nisy ny fanarahan-dia nataon’ny mpitandro filaminana sy ny andian-dehilahy maromaro tao an-tanàna. Nisy ny fifandonana teo amin’ny roa tonta ka maty voatifitry ny miaramila ny telo tamin’ireo malaso. Avy hatrany dia vaky nandositra ireo namany raha nahita ireo namany lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana. Vokany, tafaverina avokoa ireo omby nokasain’ireo dahalo halaina an-keriny. Nandritra izany fitsoahana izany dia nisy ihany koa ny fitaovam-piadiana votsotra teny ampelatanan’ireo dahalo ka nangonin’ireo miaramila. Ny loharanom-baovao no nahalalana ny filazàn’ny kaomandin’ny faritany miaramila ao Mahajanga fa entina ao amin’ny tobin’ny miaramila Capsat eo Soanierana eto Antananarivo avokoa ireo fitaovam-piadiana tratra rehetra tany amini’reo olon-dratsy ireo. Izany no hatao dia mba hanaovana ny fahadihadiana sy ny fikarohana ny tena tompony, mba hahafantarana indrindra ireo mpitandro filaminana izay mampiasa azy ireny ka sahy manome izany ny dahalo mba hambotriana ny vahoaka.

Farah

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre