Vous êtes ici :

Mardi 14 Mai 2024

ombre

Ambatovy – Nanolotra fitaovana ho an’ireo tanora Tamaga

Notoloran’Ambatovy fitaovana maromaro tahaka ny fitaovam-panatanjahan-tena, zava-maneno sy fanamafisam-peo ary fanaka isan-karazany ny lapan’ny tanora TAMAGA ao Toamasina mba hanatsarana ny fandraisana ireo tanora manodidina ny 300 tonga manatona ao. Toerana ahafahan’izy ireo mialavoly amin’ny alalan’ny fanatanjahan-tena sy hetsika ara-kolontsaina isan-karazany (dihy sy mozika) ary famakiam-boky ity toerana ity, na koa ivorian’izy ireo. Misy ihany koa ny fanentanana mikasika ny ady amin’ny Vih Sida sy ny zava-mahadomelina izay tontosaina eny anivon’ireo tanora ao an-toerana ao amin’ny kioska na any ivelany. Mpanabe olon-tsahala 25 avy amin’ity ivon-toerana ity no nahazo fiofanana ho amin’izany.

Nangonin’i S.A. 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre