Vous êtes ici :

Jeudi 09 Mai 2024

ombre

Befandriana Avaratra – Nanao be midina any an-toerana ny Emmoreg

Hanao valy faty sa hanampatra fahefana ? Mipetraka tokoa ny fanotaniana ho an’ny mponina ao Befandriana Avaratra izay mihorohoro mafy mihitsy manoaloan’ity toe-draharaha ity any an-toerana.

Tohin’ny fitsaram-bahoaka tamin’ny sabotsy teo izay nahafatesana polisy roa tany Befandriana Avaratra dia fantatra izao fa nanao be midina any an-toerana ny mpitandro  filaminana avy aty an-drenivohitra. Raha ny loharanom-baovao fantatra aloha hatreto dia hanao haza lambo ireo izay namono sy nahafaty ireo roalahy naman’izy ireo no anton’izany.

Vaovao mahatsikaiky tokoa fa tsy mba nisy ny fandraisana andraikitra toy izao nandritra izay fitsaram-bahoaka nisesisesy teo izay. Fa miandry ho iray amin’ireo manam-pahefana mihitsy no voakitika sy namoy ny ainy izay vao mirodorodo, tsy fantatra na hampandry fahalemana tokoa na hamaly faty sy hanao fanararaotam-pahefana amin’ireo tompon’antoka tamin’ny nahafaty ireo polisy roa lahy.  Ireo sivily efa am-polony matin’ny fitsaram-bahoaka tsy mba nohenoina ny fitarainan’ny havany sy ny tompon’andraikitra ambony izay nanao antso avo hatramin’izay ny momba izany. Manina tokoa moa ny dahalo sy ny mpikapoka olona amin’ny “ bois rond” raha mba atao haza hao toy izao atao any Befandriana izao ? Sivily mamono mpitandro filamina koa dia efa endrika isehoan’ny “explosion sociale” izany. Tsy voafehin’ny mpitondra fanjakana intsony ny fiarahamonina eto amin’ny firenena malagasy.

 

Mafaitse

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre