Vous êtes ici :

Samedi 27 Avril 2024

ombre

Toamasina – Nifanaraka ny mpivarotra, hiakatra ny vidin’entana

Mifanindra an-dalana ny fiakaran’ny vidin-tsolika sy ny fiakaran’ny vidin’entana fampiasa amin’ny fiainana andavanandro na ny Ppn eto Madagasikara. Miainga any amin’ireo mpamongady izany, ary mihatra hatrany amin’ireo mpaninjara madinika isan-karazany. Araka ny tsapa ankehitriny dia efa manomboka maro ireo mponina no mitaraina mikasika izany. Hita sy re izany any amin’ireo fitaovan-tserasera sy fifandraisana samihafa. Anisan’ny nahitana izany tranga izany indray izao tany Toamasina nanomboka ny fiandohan’ny herinandro lasa teo. Nifanaraka mantsy ireo mpivarotra kafe sy mofo ao an-toerana fa hampiakatra ny vidin’entana nanomboka ny alatsinainy 20 febroary teo. Izany no natao dia vokatry ny fiakaran’ny akora ilaina amin’ny fanamboarana izany toy ny menaka, lafarina sy ny maro samihafa. Lasa toy izao manaraka izao izany ny vidin’entana izany : dite tsotra, mofo gasy, ramanonaka, grefy vidina amin’ny vidiny 100Ar, raha 200Ar kosa ho an’ny menakely sy ny kafe misy ronono, ary ny kafe tsotra sy ny dite misy ronono dia vidina 150Ar.

Lucien.R

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre