Vous êtes ici :

Mercredi 24 Avril 2024

ombre

Fikambanana Fafi-V – Nankalaza ny faha-10 taona nijoroany

10 taona sahady izay no nanasoa ny mpiara-belona, nanome lanja ny lafiny ara-tsosialy, niaro ny zo maha olona indrindra ny fanampiana ireo iharan’ny tsindrihazolena eo amin’ny lafiny fananan-tany ao amin’ny boriboritany fahadimy ny fikambanana Fafi-V na ny Fampandrosoana ny Firaisana Isam-pokontany eto amin’ny boriboritany fahadimy.

Tamin’ny taona 2007 no nijoro ny fikambanana Fafi-V. Fomba hafa tokoa no nentin’ireo mpikambana nentina nankalazana izao jobily izao teny amin’ny Espace Imaho Lazaina Avaradrano ny talata 21 febroary lasa teo. Niavaka satria dia ny andro nankalazana ny andro iiraisam-pirenena ho an’ny Teny Reny no nentin’izy ireo nanamarihana izany fotoan-dehibe izany. Mahasaropiaro ny filohan’ity fikambanana ity, Andriamatoa Naivo Raholdina tokoa ny fiarovana ny teny Malagasy. Noho izany, tsy izay sehatra ikatrohany ihany no asongadin’izy ireo homena lanja fa ny teny reny izay ifanakalozan’ny samy Malagasy aloha mba hisy ny fifankazahoana eo amin’ny sehatra ifanakalozana. Nomarihana tamin’io fotoana io ihany koa ny fifampiarahaban’ny birao vaovao hitantana indray ao ny fikambanana. Nandritra izay fotoana nijoroany izay dia mahatratra aman’etsiny ny Malagasy nahita soa avy amin’ny fikambanana tao amin’ny boriboritany fahadimy. Voaporofo amin’ny alalan’izany fa tsy mitsahatra mandroso ny fikambanana. Ny Birao mpitantana ankehitriny kosa izay hitondra ny dimy taona manaraka dia hampahafantarina ampahibemaso eny amin’ny La Résidence Ankerana ny 01 Jolay 2017. Izahay eto amin’ny gazety Madagascar matin dia faly miarahaba ny mpikambana rehetra ary mirarisoa indrindra mba hahavita be hatrany amin’ny fandraisana anjara amin’ny fanampiana ny mpiara-belona.

Tahirisoa

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre