Vous êtes ici :

Jeudi 25 Avril 2024

ombre

Antohomadinika – Ramatoa voan’ny Avc karohin’ny fianakaviany

Aretina iray mety hahavoa ny rehetra ny Avc na aretin’ny ati-doha mahatonga fahaverezan’ny fitadidiana eo amin’ny olona iray. Maro anefa ireo olona tratran’io aretina io no tsy afaka mitsabo tena akory noho ny sarany izay tena lafo tokoa. Mahakasika izany indrindra dia ramatoa 45 taona iray no karohan’ny fianakaviany fa tsy hita popoka nanomboka ny alatsinainy lasa teo ka hatramin’izao. Monina ao Antohomadinika io vehivavy io ary tsy vao ela akory izy no tratran’io areti-mandoza io. Raha ny vaovao voaray tamin’ny fianakaviana dia efa tsy navela nivoaka ny trano izy ary mpanampy ao an-trano no nasaina niambina azy tamin’io fotoana io raha efa lasa nandeha niasa avokoa ny iray trano. Nisy fotoana anefa nandeha nanaingim-bary ity mpanampy ity ary nanararoatra nivoaka ity ramatoa ity. Nilaza ny olona mpiray vodirindrina fa nandeha nankany Atsimo izy ary nitondra ny poketrany. Niezaka nikaroka azy ihany ny fianakaviana iray manontolo avy eo saingy tsy hita mihitsy izay misy azy hatramin’izao. Sary no aparitaky ny fianakaviana entina ikarohana azy saingy tsy mbola nahitam-bokatra izany. Manahy mafy anefa ireo fianakaviany ny amin’ny zavatra mety mahazo azy satria maro ny olona mety hananararoatra azy. Ny tena mampatahotra azy ireo ihany koa dia ireo mety hanendaka azy satria poketra misy vola sy finday ilay nentiny nandeha. Mbola mitohy ny fikarohana ary efa miara-miasa amin’ny polisy ny fianakaviana amin’izao fotoana izao.

 

 Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre