Adin’ny mpitari-posy : Niala ny sofin’ilay nanasaraka
Raikitra ny ady teo amin’ny samy mpitari-posy ny alahady hariva teo teny amin’ny lalam-baovao eny 67ha.
Tsy fantatra ny nahatonga ny fifamonoana fa miisa enin-dahy ireo niady saritaka teny an-toerana. Nisy lehilahy iray mpanamboatra fiara teo amin’ny manodidina nanatri-maso ka tsy nahatanty izany ary tonga mba hanasaraka. Tsy te-hahalala izany anefa ireo mpitari-posy ka ilay nanasaraka indray no niharan-doza. Ompa variraka no namalian’izy ireo azy ary niafara tamin’ny fanalana ny sofiny izany. Nokakerin’ny iray tamin’izy ireo ny sofin’ity lehilahy ity ary tsy namelany mihitsy raha tsy niala izany.
Naratra mafy, ka nentina notsaboina haingana teny amin’ny hopitaly Hjra ilay lehilahy niaraka tamin’ilay ravin-tsofina. Efa tara loatra anefa hoy ny mpitsabo ka tsy nisy azo natao tamin’ilay sofina intsony. Araka ny fanambaran’ny dokotera nandray azy dia ahiana tsy handre intsony ilay sofina rimbona. Manoloana io voina mahazo azy dia nanambara ireo havany fa tsy hanaiky mora izao nahazo azy izao fa hitondra ny raharaha eny amin’ny fitsarana mba hanasaziana ireo nahavanon-doza.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







