Nisipa 3 andro dia nivady – Hay saika hangala-jaza
Hafa mihitsy ny tetika nampiasain’ity rangahy mpisoloky ity.
Nofonosiny tao anatin’ny fangataham-bady ny tetika ratsy saika hangalarany zaza. Nolazainy tamin’ilay ramatoa fa tsy maintsy atao haingana ny raharahan’izy ireo noho ny antony mahakasika ny asany na dia vao telo andro aza izy ireo no niaraka. Nilaza ho mpiasan’Ambatovy ity farany ka tsy afaka miala ela ny asany. Ny zoma 22 mey lasa teo no fotoana nomeny hanaovana ny fisehoana, tany Ambatondrazaka. Mialoha ny fotoana izay hanaovan’ny raharaha dia naka ny fon’ilay zazakely ity farany. Araka ny fantatra dia entiny mandehandeha ilay zazavavy kely. Nony tonga anefa ny fotoana nifanomezana dia nilaza ilay rangahy fa mbola tsy tonga ny havany ka hahemotra ny asabotsy hariva ny raharaha. Tonga tao ilay lehilahy ny marainan’ny sabotsy ary nitaona ilay alainy ho vady handehandeha saingy nolavin’ity farany fa hoe mbola hiomana amin’ny rahariva izy. Notaomin’indray ary ilay zazakely fa tsy nety nandeha ihany koa fa nilaza ho reraka. Tsy nipoitra intsony izy nanomboka teo.
Efa mpaka an-keriny zanak’olona
Rehefa tsy tonga ilay lehilahy na dia efa nipaika ary ny tamin’ny 6ora hariva dia nanapa-kevitra ny havan’ilay vehivavy niantso ny olona akaiky azy tamin’ny alalan’ny finday. Tamin’izany no nahalalan’izy ireo fa olona mpisoloky gaigilahy ary gadra lava ity nikasa haka vady ity. Fantatra ihany koa efa mpaka an-keriny zanak’olona izy. Tamin’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana no nahalalana fa efa nigadra tao Moramanga ary efa niditra am-ponja in-telo tao Ambatondrazaka ilay lehilahy.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







