Rangahy nisy namono – Nesorina ny voam-pilahiany
Tany Ambatondrazaka no nisehoan’izany ny alatsinainy 15 jona lasa teo tao amin’ny fokontany Tanambao.
Rangahy iray no hita faty nivalampatra irery tao an-tranony. Tsy fanaon’ity lehilahy no tsy mivoaka ny trano ka nahagaga ny teo amin’ny manodidina ny tsy nahita azy ny marainan’ny alatsinainy teo izay nahatonga ny mpiara-monina nandodona ny varavarany. Tsy nisy namaly anefa ka nampandre ny fokontany avy hatrany izy ireo ka ity farany no nanapa-kevitra ny hanapitsoka ny varavarana. Akory anefa fa olona efa tsy miaina no novantanin’izy reo. Tamin’ny fizahan’ny mpitsabo ny razana dia nahitana ratra teo amin’ny faritra maha-lehilahy azy ary tsy tao intsony ny atodin’ny maha-lehilahy azy.
Olona nifindra monina ao amin’ny fokontany ity rangahy ity ary tsy mba tia rahoraho fa tena tso-piaina. Noho ny raharaha tokantrano tsy nilamina no fantatra fa nifindrany monina, araka ny filazan’ny manodidina.
Mampametra-panontaniana ny maro ao Ambatodrazaka ity trangan-javatra ity satria tsy vao sambany izao, hoy ny loharanom-baovao. Vao tsy ela dia mpiandry omby no nisy nandidy tamin’ny hareza ny voam-pialahiany. Misokatra ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







