Ady amin’ny lefakozatra – Nanome 2,2 tapitrisa dolara ny Amerikana
Vola mitentina 2,2 tapitrisa dolara no nomen’ny fanjakana amerikana amin’ ny alalan’ny sampan-draharaha amerikana misahana ny fampandrosoana na USAID hanampiana ny ezaka famongorana ny lefakozatra eto Madagasikara.
Zaza malagasy maherin’ny 4,3 tapitrisa latsaky ny dimy taona no hahazo tombontsoa mivantana amin’izany.
Ny taona 1997 no nahitana farany ny tsimokaretin’ny lefakozatra (poliovirus sauvage) teto amin’ny firenena. Nanomboka teo dia nahitana trangana lefakozatra vitsivitsy atao hoe “poliovirus dérivés d’une souche vaccinale” tamin’ny faritra maro eto amin’ny Nosy. Ny zaza tsy vita vaksiny no mora andairan’ireo tsimokaretina ireo.
Hiatrehana ny olana ateraky ny lefakozatra eto Madagasikara dia namolavola drafitra maty paika ny ministeran’ny Fahasalamana sy ny mpiara-miombona antoka aminy hikarakarana hetsika iadiana amin’ny aretina. Ny hetsika voalohany dia natao tany amin’ny faritra 6 any avaratra andrefana ny desambra 2014; ny faharoa dia hetsika manerana ny nosy tamin’ny avrily 2015. Ny hetsika fahatelo dia kasaina atao ny voalohandohan’ny volana aogositra, ary ny hetsika fahefatra dia vinavinaina atao amin’ny septambra.
“Hafaliana ho anay no miara-miasa amin’ny fanjakana malagasy, ny mpiara-miombona antoka iraisam-pirenena ary ireo mpandray anjara ao amin’ny fiarahamonim-pirenena manohana izao ezaka izao,” hoy ny Ambasadaoro amerikana Robert T. Yamate. “Ny tanjona iraisana dia ny hahafahana manao vaksiny ny zaza rehetra eto Madagasikara,” hoy ihany izy.
Ny fanjakana amerikana dia efa namatsy vola mihoatra ny iray hetsy dolara ny lahasa fanaraha-maso ny aretina lefakozatra. Ity fanomezana 2,2 tapitrisa dolara vaovao ity dia hanampy fatratra ny fanjakana malagasy amin’ny ezaka ataony hamongorana ny aretina.
Nangonin’i FR
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







