Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Aleo ny vahoaka no hitsara !

Nazava ary tsy azo iadian-kevitra ny valinten’ny Fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana mikasika ny fangatahan’ny solombavambahoaka hampiatona ny Filoham-pirenena amin’ny asany izay voalaza fa tsy manaja ny Lalàm-panorenana.

Tsy mitombina ny fiampangana ary manohy ny asany ny Filoha. Afa-baraka indray ny solombavambahoaka izay tsy vao sambany ny naka fanapahan-kevitra nolavin’ny HCC. Ireto depiote ireto mihitsy ve no tsy mahafehy ny asany sa ny HCC no miandany satria izay fanapahan-kevitra manohintohina ny filoham-pirenena dia voalaza ho tsy mitombina avokoa? Sarotra ny hamaly sy hiandany amin’izany satria tany tan-dalàna i Madagasikara ka izay didin’ny HCC dia tsy maintsy ekena na dia tsy maharesy lahatra ny maro aza matetika.

Dia mipetraka ny fanontaniana hoe inona ny ho tohin’ny raharaha? Maro sahady ireo manolotra soso-kevitra ny amin’ny maha-zava-dehibe ny fikarakarana fihaonana sy fifampiresahana eo amin’ny parlemantera sy ny filohan’ny Repoblika. Amin’ny fomba ahoana anefa no hanatanterahana izany. Hita hatrany am-boalohany fa tena tsy mifanara-tsaina ireo andrim-panjakana roa ireo. Samy tsy mahatapaka ahitra rahateo fa miankin-doha amin’ny mpiara-miasa aminy. Ny filohan’ny Repoblika dia hita ny firaisan-tsainy amin’ny antoko HVM izay mpanolo-tsaina ambony ao an-dapa avokoa. Ny solombavambahoaka indray dia tena mpiara-dia mahatoky amin’ireo lohandohan’ny mpisorona amin’ny antoko mpanohitra sy tsy ao anaty fitondrana. Misy ny fiatsarambelatsihy sy ny famelezana ambadika eo amin’ireo andrim-panjakana ireo. Porofon’izany ny fihetsiky ny solombavambahoaka avy amin’ny firehana Ravalomanana, izay sady nanao sonia sy tsangan-tanana hitsipahana ny filoham-pirenena no anisan’ny nanolotra mivantana ilay taratasy fitoriana teny amin’ny HCC mihitsy. I Marc Ravalomanana sy ny Tim etsy an-daniny manizingizina fa manohana ny fitondrana mijoro. Ireo depiote avy amin’ny antokony anefa manao izay handrodanana ny fitondrana.

Toa izany ihany koa ny avy amin’ny vondron’ny mpanohitra izay sady manainga ny vahoaka tsy hanaiky ny zava-misy intsony nefa ihany koa manizingizina fa tsy maintsy atao anaty fomba demokratika ny fitakiana. Ary ny tsy takona hafenina dia ny fihetsiky ny mpitondra. Sady miantso fitoniana sy vahaolana iarahana nefa ny eson-teny sy ny avoavona mandeha eny ihany.

Fifampidinihina inona hitondra vokatra amin’izany. Sarotra ny hanantena fa vonona ny hifampidinika amin-kitsim-po ireo mpanao politika rehetra voakasik’ity kirizy misy eto Madagasikara amin’izao fotoana izao ity. Misy kirizy eto ary na ny filoha Rajaonarimampianina aza niaiky izany tamin’ny kabary nataony ny sabotsy lasa teo. Nandalo fotoan-tsarotra ny firenena hoy izy. Nisy avy hatrany ireo mitondra fanitsiana fa mbola tena ao anaty fotoan-tsarotra ny firenena ary tsy mbola tafavoaka ny ala. Poforon’ireny fisian’ny mpitandro filaminana mirongo fiadiana mivezivezy manerana ny tanàna na andro na alina. Toa tsy hanenjika jiolahy no tena namoahana azy ireny fa kosa hivonona amin’ny mety hisian’ny asa fanakorontanana. Izany hoe mbola ahiana ny hisian’ny kirizy.

Samy manizingizina rahateo ny na filohan’ny Repoblika na ny depiote fa samy voafidim-bahoaka ka tsy azo esorina amin’ny asany. Ny vahoaka hatrany no atao antoka hitazomana seza. Iza amin’ireo tokoa anefa no tena mbola mamim-bahoaka? Tsy misy mihitsy fanontaniana izany hevitry ny vahoaka izany fa samy mivolon-ko tompony avokoa ireo mpifanandrina politika. Ary maninona tokoa moa raha tena hanontaniana ny hevitry ny vahoaka? Mety ho azo tanterahina ihany izany amin’ny alalan’ny fikarakarana fifidianana mialohan’ny fotoana hifaranan’ny fotoam-pitondran’ireo olom-boafidy ankehitriny. Tsy dia vahaolana ratsy ilay hoe maninona raha aroso ny fifidianana filoham-pirenena dia izay lany eo mandrava ny antenimieram-pirenena efa misy ankehitriny. Raha tena nahavita tokoa ary mamim-bahoaka ny filoha ankehitriny dia tsy hatahotra izany ary azo antoka fa ho lany amin’ny salan’isa ambony dia ambony. Raha tsy izay kosa no mitranga dia efa tsy ankasitrahan’ny maro an’isa intsony izy izany. Io fifidianana  filoham-pirenena mialohan’ny fotoana io no vahaolana sy porofo tsy azo ihodivirana ahafahana manendry izay olona tena ilain’ny vahoaka hitantana ny firenena.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre