Fambolena sy fiompiana – Avadika ho tena asa
Tena miasa ireo tantsaha anefa tsy ampy ny taham-pahazaina sy fetra entina mitondra sy mikirakira ny famokarana eto Madagasikara. Nisy noho izany ny fampiofanana ireo mpamboly sy mpiompy mba hametrahana ny asa mirindra eo amin’izy ireo. Nandritra izany fiofanana izany dia nahatsapa ireo teknisianina fa misy tokoa ny banga tokony ho fenoina amin’ireo tantsaha ary ny mitongilana tokony harenina. Noho izany dia havadika ho tena asa mahavelona ny fambolena sy ny fiompiana. Tsy mila miandry fahaizana ambony sy injeniera miofana any amin’ny oniversite izay vao hahazo ny fahaizana entina mamokatra saingy ilaina kosa ny injeniera sy fianarana ambony satria tsy maintsy asiana ny mpitarika hoy ireo mpampiofana
Afaka mamoaka diplaoma eken’ny fitondra-panjakana malagasy hiarahana amin’ireo fitantanana sy toeram-piofanana tsy miankina amin’ny minisiteran’ny fambolena mba hanamarihana izany. Miisa 32 ny olona navoaka omaly teny amin’ny toeram-piofanan’ny ministerany fambolena. Miisa 14kosa ny mpamokatra ary 18 ny mpanolon-tsaina (conseiller agro-écologie).
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







