Tanamakoa – Maty notiofirin’ny raikeliny ny zana-badiny
Raha nikasa hivoaka handeha hiala voly any ivelany ilay ramatoa vadim-bazaha niteraka vavikely 7 taona, sy ny sakaizany ny alin’ny zoma 12 jiona 2015, ka nitomany io zanany io, dia nandray basy fitifirana trondro mba hampitahorana azy ilay raikely entina hampangiana ny zaza. Tsy nijanona tamin’ny fampitahorana anefa izany fa lasa tena izy ary voa teo amin’ny andriny ilay tsy manan-tsiny ka niafara tamin’ny fahafatesany. Niezaka nitondra an’ity ankizy vavy maty nohon’ny hetraketraky ny raikeliny ity tany amin’ny hopitaly izy roa mpifamofo ary samy nilaza lainga fa naratra nianjera avy tamin’ny tohatra miakatra ny rihana amin’ny tranon’ izy ireo ilay ankizy ka izay no nahatonga ny ratra ary nitarika azy tamin’ny fahafatesana. Tsy nanaiky ny hanapi-maso sy sofina manoloana ny zava-misy efa hitany kosa ny fokonolona manodidina tao Tanamakoa ka nampilaza tany amin’ny polisy mba hanokafana ny fanadihadiana. Izy ireo izay nilaza ny marina fa notifirina tamin’ny basin-trondro ilay zaza. Vokany, voamarin’ny polisy tokoa izany ka nosamborina ny sabotsy 13 jona teo ilay raikely, ary efa naiditra am-ponja vonjimaika ao Ambalatavoahangy taorian’ny fanolorana azy teo amin’ny fampanoavana ny talata 16 jona tolakandro teo.
Zouzouh Toamasina
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







