Vous êtes ici :

Lundi 15 Décembre 2025

ombre

Mandoto – Trano iray kilan’ny afo

Tsy fantatra mazava ny niandohan’ny afo fa trano tafo bozaka iray no kila tsy nisy noraisina tao Ambatolahimaro, ao amin’ny distrikan’i Mandoto ny andron’ny alahady teo, tokony tamin’ny 3 ora tolakandro tany ho any. Tsy tao an-toerana ny tompon-trano nandritra ny firehetana. Ankizy iray nilalao teo an-tokantany no nahatsikaritra ny loza ka nampandre ireo teo amin’ny manodidina. Nifanome tanana ireto farany mba hamonoana ny afo fa nanahirana ireo mponina niatrika izany nohon’ny rivotra nifofofofo mafy. Naharitra adiny iray mahery vao maty tanteraka ny afo raha ny filazan’ny loharanom-baovao. Lasa lavenona ihany koa ilay trano sy ny fitaovana tao anatiny. May tamin’izany hatramin’ny vola, ny lovia sy ny vilany, ny vokatra, ny lamba fitafy sy ny maro hafa. Olona teo akaiky no nampandre ny tompon-trano tany an-tsaha tamin’ny voina nahazo azy ireo ka torana tsy nahatsiaro tena ilay ramatoa tompon-trano. Nentina teny amin’ny tobim-pahasalamana avy hatrany ity farany mba hahazo fitsaboana.

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre