Halatr’omby – Dahalo iray matin’ny fokonolona
Dahalo iray no lavon’ny fokonolona nandritra ny fifandonana teo amin’ny roa tonta ny alin’ny 13 jona lasa teo, tao Ambatolampy. Dahalo miisa folo mirongo basim-borona vita gasy no tonga nandroba mpamboly iray tao an-toerana.Vao niditra ny tanàna ireo olon-dratsy dia nanao ramatahora tamin’ireo mponina ka nanapoaka basy in-dimy. Nandritra izany dia tsy nisy sahy nihetsika nanohitra ny fokonolona ka lasa ny omby miisa telo tao am-bala. Nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany izy ireo raha vao lasa ireo dahalo. Tonga nanao fizahana tao an-toerana ny zandary ary nanao ny fanarahan-dia niaraka tamin’ireo vatan-dehilahy matanjaka tao an-tanàna. Fotoana fohy dia nifanehitra ny roa tonta ka raikitra tamin’izany ny fifandonana. Matin’ny fokonolona nandritra izany ny dahalo iray raha toa ka naratra ny mpanaradia miisa roa. Vao nahita ny namany nitsirara teo amin’ny tany ireo dahalo dia vaky nandositra avy hatrany niaraka amin’ireo omby.Tsy nisy tafaverina noho izany ireo omby ary mitohy ny fanarahan-dia ataon’ny mpitandro filaminana.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







