Vous êtes ici :

Samedi 13 Décembre 2025

ombre

Hifety anaty savorovoro !

Tsy nahavaha olana ny didy navoakan’ny fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) na dia voalaza ombieny ombieny aza fa tsy azo ivalozana. Izao indray dia ny Filohan’ity andrim-panjakana ity mihitsy no angatahin’ny solombavam-bahoaka ho esorina amin’ny toerany. Tondron’ireo depiote ho tsy manaja ny Lalàmpanorenana ihany koa ny filohan’ny HCC. Ankilan’izay anefa dia misy ihany koa ireo solombavam-bahoaka mangataka ny handravana ny birao maharitry ny ny Antenimieram-pirenena. Izany hoe ny hanonganana ny filohan’ity andrim-panjakana misy an-dry zareo ity mihitsy no katsahiny.

Resaka lalàna moa no ampiadiana ka samy milaza azy ho dadany avokoa ny rehetra izay manam-pahaizana amin’io sehatra io. Rehefa tena zohina anefa dia tongo-bakivaky ka sady maharary no mahamenatra no misy eto amintsika. Raha ny fangatahana nisesisesy tato ho ato mantsy no atambatambatra sy nekena avokoa dia mirona amin’ny fandravana ny andrim-panjakana rehetra ihany izany. Samy efa nisy nangataka avokoa ny hanesorana ireo filohan’andrim-panjakana 4 mirahalahy dia ny fiadidiana ny Repoblika, ny Praiministra, ny Antenimieram-pirenena ary ny fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana. Indrisy anefa ho an’ireo mpangataka izany fa tsy nisy mpihaino sady tsy misy mpamaly. Ireo solombavam-bahoaka no tena mangataka ny fanesorana ireo filohan’andrim-panjakana ireo.

Izany no ilazana fa tsy misy milamina izany eto ary tsy mbola mifarana velively ny savorovoro politika. Mety matahotra nohon’ny fandrahonan’ny Fanjakana hampiasa hery famoretana ny mpanao politika dia mody manamboatra fomba fiteny amin’ny hoe hanaja hatrany ny tany tan-dalàna sy ny soa-toavina demokratika nefa ny kibay an-kelika ihany.

Niantso fifanatonana ny filohan’ny Repoblika ary nihazakazaka nanamafy ny fanohanany izany ireo mpiara-miombona antoka eo amin’ny sehatra iraisam-pirena. Tsy hisy vokany izany fifampiresahana izany raha ao anaty tahotra sy horohoro no hanatanterahana azy. Ireo depiote matahotra ny hosamborina sy hogadraina ary ho ravana ny andrim-panjakana misy azy. Ny Filoha kosa matahotra ny ho voaongana. Tsy kisendrasendra velively no tsy nandehanany tany amin’ny fivoriamben’ny vondrona afrikanina fa ao raha. Olona iaraha-mahalala fa tia mandehandeha manatrika ireny fivoriana iraisam-pirenena ireny ny filoha malagasy nefa tsy nandeha izy tamin’ity indray mitoraka ity. Misy ahiany ao! Tsy misy valaka amin’izao mihitsy ny nanjo an-dRavalomanana tamin’ny 2009. Nilaozany nanatrika ny fivorian’ny vondrona afrikanina tany Afrika Atsimo ny raharaham-pirenena efa namaivay. Tany am-pivoriana tanty vao nikoropaka niverina fa saingy efa tara loatra. Efa tsy tana intsony ny hetsi-bahoaka ary nihafara tamin’ny firodanan’ny fitondram-panjakana.

Raha ny zava-misy amin’izao fotoana izao dia tena mbola mamaivay ny disadisa poltika ary tsy misy rahateo ny ezaka ataon’ny andaniny sy ny ankilany hamahana izany. Vitan’ny antso sy fifamaliana amin’ny alalan’ny fampahalalam-baovao sisa ny resaka rehetra. Hatreto dia ny mpanao gazety indray no lasa mpanelanelana tsy fidiny eo amin’ireo mpifanandrina ara-politika eto Madagasikara. Na dia maro aza ireo bevava sy mpanambany mpanao gazety dia tsy manan-kambo fa midodododo, sy mandadilady miangavy mba hiseho amin’ny gazety sy haino aman-jery rehefa te haneho hevitra.

Misy ny voavidy na iharan’ny tsindry hazolena dia mamoaka vaovao mitanila fa milamina ny toe-draharaha eto Madagasikara saingy fitaka ihany izany satria tsy izay no zava-misy. Tsy hampiova inona na inona ny fandrahonana an-kolalaka navoakan’ny minisiteran’ny serasera mba hampitahorana ny mpanao gazety tsy hamoaka ny zava-misy. Azo atao tsara mihitsy ny tsy miresaka afa-tsy fahombiazana sy paradisa amin’ny fampahalalam-baovao saigy sady manitsakitsaka ny fiandrianan’ny asa fanaovan-gazety izany no ihany koa tsy hitondra vahaolana ho an’ity firenena. Raha tiana ho sitrana ny fery tsy maintsy potsirina ary raha tiana ho voavaha ny olana tsy maintsy resahina ny marina. Tsy mbola voavaha izany ny krizy misy eo amin’ny samy andrim-panjakana!

 Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre