Mpiaotra tratra nisakaiza – Maty nisotro ody parasy ilay vehivavy
Tany amin’ny fokontany Betampona ao amin’ny kaominina Mandrosohasina ao anaty distrikan’i Antsirabe faharoa no nitrangan’izany ny talata lasa teo, tamin’ny 11 ora atoandro. Lehilahy iray 27 taona sy vehivavy 20 taona izay mpiaotra no tratra nisakaiza tao amin’io toerana io. Araka ny fantatra dia ilay tompon-bady mihitsy no nahatratra ny fiarahan’izy roa. Menatra ny vavan’olona sy ny fiaraha-monina dia namono tena izy ireo. Torana tsy nahatsiaro tena ilay ankizivavy ary nentina teny amin’ny hopitaly. Fotoana fohy taorian’izay dia narary koa ilay lehilahy ary nentina notsaboina ihany koa. Tsy tana intsony ny ain’ilay zazavavy raha toa ka tsy naninona ilay lehilahy. Tamin’ny fizahana nataon’ny mpitsabo dia hita fa nihinana ody parasy ireto farany. Voaporofo ihany koa fa niara-namono tena izy roa ary nanamarina izany ilay lehilahy tamin’ny fanadihadiana natao taminy. Araka ny filazan’ity farany dia olana tao an-tokantranony no nahatonga azy nisakaiza tamin’ilay rahavavin’ny vadiny.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







