Ivato – Rongony no nosavaina nefa basy no hita
Lehilahy iray no nahatrarana basy poleta tao Antanetibe Ivato tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity.
Nandritra fisavan’ny mpitandro ny filaminana ny efitranon’ny mpanofa trano tao aminy mahakasika ny raharaha fivarotana rongony no nahasarona azy.
Araka ny loharanom-baovao dia lehilahy mpifoka rongony iray no niandohan’ny fanadihadiana. Ity farany izay saron’ny polisy nifoka zava-mahadomelina teny Ambohibao nandritra ny fisafoana fanaon’izy ireo andavanandro. Tamin’ny fanadihadiana natao taminy no nannondroany ny olona iray mpamatsy rongony azy, izay monina eny Antanetibe Ivato. Nidina teny an-toerana ny polisy mba hanao fisavana ny tranon’ity farany izay mpanofa eny. Saron’ny mpitandro filaminana ny fonosona rongony miisa 21. Tsy vitan’izay ihany fa mbola nahatratra basy poleta iray tao amin’ilay tompon-trano nisy azy. Fihetsika hafahafa nataon’ilay tompon-trano no nampiahiahy ireo mpitandro filaminana nitarika ny fisavana ny tranony. Araka ny fantatra dia dia manana fikambanan-jiolahy ilay tompon-trano ary efa nanao fanafihana maro teto an-drenivohitra sy ny manodidina tamin’ny alalan’io basy io. Vokany, olona telo no nosamborin’ny polisy. Taorian’ny famotorana azy ireo dia natolotra ny fampanoavana etsy Anosy omaly 18 jona izy telo.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







