Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

FDL – Nozarana « Tablettes » ny kaominina 11

Ity atrik’asa ny famantsiam-bola fampandrosoana ifotony (Fond de Développement Locales (FDL)) tafiditra ao anatin’ny fampandrosoana zato andro.

Taorian’ny fiofanana voarain’ny kaominina miisa 11 dia nozaraina « tablettes » izy ireo mba hanamorana ny fifandraisana eny anivon’ny kaominina tsirairay avy.

Hisy ny fiofanana amin’ny fampiasana io fitaovana vaovao io ary rehefa vita izany dia mbola  hisy ny fizarana andiany faharoa ho an’ny kaominina 121 manerana ny Nosy.

Ny kaominina Andasibe, ao anatin’ny distrikan’i Moramanga izao no fantatra fa efa nahazo tombontsoa tamin’ny fampianarana niarahana tamin’ny FDL voalohany. Tafiditra amin’izany ny fitondrana tsara tantana sy fanaovana ny mangarahara ary ny fandraisana andraikitra amin’ny vahoaka. Rehefa vita ny fampianarana dia namatsy vola 9 tapitrisa ariary io kaominina io ny FDL mba hampiharana ny traik’efa azo. Teti-bola voalohany dia nanaovana tetezana ary ny tetim-bola faharoa dia nanaovana fampitaovana tranon-tsekoly CEG tao an-toerana. « Nampiharina ny teti-bola ifarimbonana ka ny vahoaka mihitsy no omena sehatra milaza ny hetehetany ary araka izay no hanantanterahana ny asa », hoy Abdoul Kader Ismaël, ben’ny tanàna ao Andasibe.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre