Firenena tsy ampy kely
Tsy fahampiana atsy, tsy fahampiana aroa!
Toa io no fototry ny olana sy ny tsy fahombiazana rehetra eto Madagasikara. Saika milaza tsy fahampiana avokoa ny rehetra hanamarinana ny tsy fahombiazana. Eo amin’ny taranja fanatanjahan-tena no tena ahenoana ny tsy ampy refy sy tsy ampy lanja rehefa injay ka resy rehefa mifandona amin’ny mpilalao avy any ivelany ny malagasy. Fialan-tsinin’ny mpilalao basikety, baolina lavalava ary baolina kitra ny hoe « kely » isika rehefa injay ka resy ny ekipam-pirenena. Tsy azo ialana anefa io hakelin’ny vatana io satria efa izay no nanaovan’Andriamanitra ny malagasy. Izany hoe na mitady fomba hahafahana mampisongadina ny tombontsoa amin’ny tsy fahampiana lanja sy halavana na mijanona tsy manao lalao iraisam-pirenena intsony. Toa tsy mitombina anefa ny fialana bala amin’ny hoe kely isika ka izay no naharesy satria iaraha-mahalala fa kelikely vatana sy halavana ny ankamaroan’ireo mpilalao baolina vahiny tena kalaza. Anisan’ireny ireo mpilalao ao amin’ny Fc Barcelone izay tompondak’i Eoropa tamin’ity taom-pilalaovana ity. Tsy dia mifankaiza amin’ny mpilalao malagasy ny vatana sy halavan-dry Messi sy ireo mpilalao hafa miaraka aminy nefa dia tena ikoizana ny fahaizan’izy ireo.
Mbola anisan’ny mpimenomenona amin’ny tsy fahampiana ihany koa ny mpitandro filaminana rehefa mitondra fanazavana mikasika ny antony mahatonga ny firongatry ny tsy fandriam-pahalemana eto amintsika. Voalaza fa sady tsy ampy isa no tsy ampy fitaovana hanataterahana ny asany ny polisy sy ny zandary. Tsy ampy fiara, sy tsy misy solika ka izay no voalaza fa tsy hahatongavan’izy ireo ara-potoana manenjika ny jiolahy. Soa ihany fa tsy mbola nisy nilaza hoe tsy ampy basy sy tsy ampy bala. Toy ny tsy mampino ny vahoaka ihany koa anefa io tsy fahampiana eo anivon’ny fitandroana ny filaminana io satria toa misy ihany ny olona sy ny fitaovam-piasana rehefa hiaro ny Fanjakana. Iaraha-mahita ny hamaroan’ireo polisy sy miaramila ary zandary mandeha kamiao sy fiara tsy mataho-dalana am-polony rehefa misy fitokonana ahiana hiafara amin’ny fidinana an-dalam-be. Amin’izao fotoana mampamaivay ny disadisa politika eto amin’ny firenena izao dia mifanaretsaka manerana ny tanàna ny mpitandro filaminana. Tsy mety lany lasantsy izy ireny ary mahita fiara entina hanaovana ny asany.
Fialan’ny fitondram-panjakana andraikitra ihany koa ny filazana fa tsy ampy ny vola entina hanatanterahana ny asa fampandrosoana satria tsy mbola manome izany ny mpampindram-bola iraisam-pirenena. Tsy mbola nisy kosa anefa tamin’ireo mpitondra sahy nilaza fa tsy ampy traikefa sy fahaizana izy ireo matoa tsy mandeha araka ny fampanantenana ny asa fampandrosoana. Dia io tsy ampy io hatrany no ambetin-teny rehefa te hiverina eo amin’ny fitondrana. Maro amin’ireo ben’ny tanàna aperin’asa efa nitondra nandritra ny 7 taona mahery no nilaza fa tsy ampy azy ny asa vitany ka mbola te hanohy ny ezaka natao. Dia nilatsaka ho kandida indray.
Ny vahoaka moa dia efa tsy resahina intsony amin’ny fimenomenomana fa tsy ampy sakafo sy tsy ampy karama ka izay no mahatonga ny fahantrana. Tsy mety ampy mihitsy izay vola eo am-pela-tanana nohon’ny fisondrotry ny vidim-piainana. Manampy trotraka izany ireo tsy ampy fialam-boly ka tsy mitsaha-miteraka na dia efa tsy ampy fivelomana aza. Dia mitobaka manaraka izany ihany koa ny tsy fahamatorana ka mirona amin’ny asa ratsy toy ny halatra, kolikoly, fanodikodnam-bolam-panjakana sy ny fivarotan-tena.
Hita sy tsapa fa tena tsy ampy olom-banona afaka hitondra sy hanarina marina ny firenena i Madagasikara. Ny an’ireo mpanao politika mantsy dia ny tsy fahampian’ny seza sy ny fahefana ary ny tombon-tsoa manokana no tena mahamaika azy ireo. Sao mba ny fitiavan-tanindrazana mihitsy aza no tsy ampy amintsika malagasy e? Toa samy faly handrirotra ny disadisa mba hivadika amin’ny savorovoro avokoa mantsy ny ankamaroan’ny olona amin’izao fotoana izao.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







