Andoharanofotsy – Nokapaina famaky ny lohan’ilay mpivarotra
Nitrangana fanafihana mitam-piadiana mahery vaika indray ny kaominina Andoharanofotsy ny harivan’ny alarobia lasa teo, tamin’ny 6ora sy sasany.
Andian-jiolahy mirongo basy no tonga nanafika fivarotana entan-madinika tao amin’ny fokontany Volotara. Nanapoaka basy avy hatrany izy ireo vantany vao tonga teo an-toerana mba hampitahorana ny manodidina. Tsy nisy alaharo alaharo fa tonga dia nanery ireo mpivarotra hamoaka ny vola rehetra tao an-tsena ireo jiolahy. Nanohitra anefa ilay mpivarotra ka nokapain’ireo jiolahy famaky teo amin’ny lohany avy hatrany. Ilay ramatoa kosa notorahan’izy ireo vato ary voa teo amin’ny lohany. Lasa nandritra io fanafihana io ny vola rehetra izay mbola tsy fantatra ny isany.
Tonga tao an-toerana ny mpitandro filaminana iray monina eo akaikin’ilay mpivarotra rehefa naheno ny fanafihana ary nanapoaka basy mba hampitahotra ireo jiolahy. Vao naheno ny firefodrefotry ny basy ireo olon-dratsy dia nandositra avy hatrany. Nifanenjehan’ny fokonolona saingy tsy tratra intsony. Araka ny loharanom-baovao dia efa herinandro ireo jiolahy ireo no nihaodihaody teny an-toerana mba hijery izay ho tafihina. Fomba fanaon’izy ireo ny mandefa taratasy fampitahorana na trakta mialoha any amin’ireo ho robaina ho fampiomanana azy ireo.
Tsy sambany no nisy fanafihana tahaka izao teny amin’iny kaominina iny fa efa matetim-pitranga. Vao tamin’ny herinandro lasa teo dia trano fivarotana iray hafa no lasibatray ny jiolahy miisa dimy lahy mirongo basy mahery vaika. Lasa tamin’izany ny vola an-tapitrisany.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







