Vehivavy mamolava – Notsindromin’ny olona hazo ny fivaviany
Hetraketraka tsotra izao raha ity nahazo an’ilay vehivavy nitsindromina hazo ity. Tsy fantatra ny nahavanon-doza fa olona nandalo maraina no nahita ilay vehivavy efa naratra mafy teny amin’ny La Voirie, ao amin’ny fokontany Manga, ao Mahajanga.
Araka ny fantatra dia ny alakamisy alina hifoha zoma no nisehoan’ny herisetra. Vehivavy iray izay mamolava no nisy nanindrona hazo maranitra tao amin’ny fivaviany. Nampilaza ny mpamonjy voina avy hatrany ilay nanatri-maso raha vao nahita izany. Fotoana fohy dia tonga teny an-toerana izy ireo ary nitondra ilay ramatoa teny amin’ny hopitaly be Androva mba hahazo fitsaboina. Hatramin’ny nanoratana dia mbola tsy fantatra na maty na velona izy fa mbola am-panesorana ilay hazo ny mpitsabo. Ny mpitandro filaminana ao an-toerana dia manameloka izao fihetsika mamoafady natao amin’ity vehivavy ity. Sokajian’izy ireo ho tafiditra ao anatin’ny fihetsika famonoana olona izany.
Efa nametraka fitoriana ny havan’ilay vehivavy ary misokatra ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro ny filaminana.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







